Tovovavy iray no naratra mafy rehefa lanin’ny voay teny amoron’Ikopa tany amin’iny faritra Ankazobe iny, ny alarobia lasa teo. Izay tokoa ny hoe efa teo am-bavam-boay saingy mbola avotra ihany ity tovovavy 19 taona ity. Saika handeha hanovo rano tamin’ity renirano ity io vehivavy io izao sendra ny tsy nampoizina izao. Araka ny fantatra dia fanaony ny maka rano, manasa lamba ary mandro ao amin’ity renirano ity. Tamin’io fotoana io, handeha hantsaka toy ny fanaony ny anton-diany. Vao tonga teo amoron-drano anefa dia ity efa voay be ity no niandry azy. Tojo haza ihany koa ity farany ka tsy nisalasala nandrapaka. Soa ihany anefa fa niaraka taminy tamin’io fotoana io ny iray tamin’ny fianakaviany ka io no niezaka nanavotra azy. Nifampisintomana teny am-bavam-boay ity mpatsaka rano ity ary avotra ihany nony farany na dia naratra mafy aza. Teo vao niantso fokonolona nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Araka ny nambaran’ireo mponina any amin’iny toerana iny, dia efa fantatry ny rehetra fa isan’ny masiaka voay iny faritra misy ny ranon’Ikopa iny. Na izany na tsy izany aza anefa, fantatr’ireo mponina ny faritry ny rano misy izany biby izany. Tsy nampoizin’izy rehetra kosa ary zava-nahagaga ho azy ireo ny fisian’io voay io tao, raha ny fampitam-baovao hatrany. Nentina nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ity tovovavy ity, raha ny fantatra. Efa nisy ihany koa ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana mahakasika ity zava-nisehoa ity.
m.L