- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Jiolahy rain-dahiny efa ela nokarohina, voasambotra i Bôgeda

Ankazomanga : Jiolahy rain-dahiny efa ela nokarohina, voasambotra i Bôgeda

Jiolahy rain-dahiny, fantatra amin’ny anarana hoe Bôgeda no voasambotry ny pôlisy teny amin’iny faritra Ankazomanga iny, ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia efa ela no nampikarohan’ireo mpitandro filaminana an’ity olon-dratsy ity, noho ireo fanafihana mitam-piadiana isan-karazany efa nahavoatonontonona ny anarany. Andian-jiolahy maromaro izy ireo no miara-manatanteraka ny asa ratsiny. Saika efa voasambotra avokoa ny ankabeazan’ireo namany, ao ihany koa ireo efa maty voatifitra, saingy i Bôgeda hatreto no tafaporitsaka foana. Ny fanazavana hatrany no nahafantarana, fa niova fitàna ity olon-dratsy taty aoriana. Fanafihana mitam-piadiana mantsy no fanaon’izy sy ireo namany taloha, nivadika ho matihanina amin’ny fangalarana môtô indray ranamana taty aoriana rehefa nandeha irery. Ireo môtô mindrana an’iny lalana mizotra mankany Ankazomanga sy amin’ny Boulevard de l’Europe iny no tena lasibatra amin’izany. Indrindra fa ireo tratra alina. Zava-maranitra sy sabatra no fitaovam-piadiana entiny mandrahona ireo olona voatafika amin’izay fotoana izay. Nisy fotoana ihany koa, raha ny fampitam-baovao hatrany, dia mandroba ireo olona anaty fiara, taraiky anaty fitohanana eny amin’iny faritra iny i Bogêda. Siosion-dresaka no nahenon’ireo mpitandro filaminana ny fiverenan’ity olon-dratsy ity teny an-toerana, ka natao ny vela-pandrika rehetra. Tra-tehaka tamin’izany ny lehilahy. Fantatra fa, saika mbola hamaly sy handratra ireo pôlisy tonga nisambotra azy izy tamin’io fotoana io. Omaly ihany dia efa natolotra ny Fampanoavana ity lehilahy ity.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici