- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazondandy : 10 lahy nanafika tokantrano roa, voaroba ny 11,3 tapitrisa voaroba

Ankazondandy : 10 lahy nanafika tokantrano roa, voaroba ny 11,3 tapitrisa voaroba

Ity tranga ity dia toa milaza fa mihantsy ireo mpitandro ny filaminana mihitsy ny jiolahy any amin’iny faritra Manjakandriana sy ny manodidina iny. Ity toerana ity izay fantatra fa isan’ny hanaovan’ny zandary hetsika fampandrian-tany amin’izao fotoana izao. Tokantrano roa amina fokontany roa samihafa no indray voatafika ny alin’ny Alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy 30 minitra. Araka ny loharanom-baovao, folo lahy nirongo basy lava sy zava-maranitra no nanatanteraka ny asa ratsy. Ny voalohany dia nitranga tao Ambiky ka naharatrana ny tompon-trano, izay novelesin’ireo jiolahy tamin’ny  « bois rond ». Voaroba tamin’izany ny vola 300 000 ariary sy telefaonina izay hitan’ireo olon-dratsy tao an-trano. Tao Andriankely ny faharoa izay mpivarotra ny tompony. Very tamin’izany ny vola 11 000 000 ariary sy zava-pisotro dimy tavoahangy. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao Andriampamaky raha vao nandre izany ka nanao ny fanarahan-dia ireo jiolahy izay voalaza fa niakandrefana ny dian’ireto farany.  Nanampy azy ireo  zandary avy ao amin’ny borigadin’ny Sadabe sy ny avy ao Ambohimanarivo. Saingy, tsy nisy vokany izany fa mbola tafaporitsaka ihany ireo jiolahy.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici