- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazondandy : Resaka karama, nokapainy tamin’ny famaky ny rahalahiny

Ankazondandy : Resaka karama, nokapainy tamin’ny famaky ny rahalahiny

Tsy maha-mpihavana tokoa ny resa-bola. Olona mirahalahy no nifamono ho faty tany amn’iny faritra Ankazondandy, disitrika Manjakandriana iny ny faran’ny herinandro teo, noho ny resa-bola. Tao amin’ny fokontany Mandena no nisehoan’ity tranga mahatsiravina ity, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo ho eo. Re sy hitan’ny manodidina ny fifamaliana mafimafy teo amin’ireto mpirahalahy ireto, satria dia teo an-tokotany no nisehoan’izany. Resa-bola no fototr’izany tsy fifandaminana izany. Tsy fantratra tsara teo ny nitranga na hoe nanakarama ny rahalahiny ny iray dia tsy voaloa ilay karama, na hoe niaraka nikarama izy ireo kanefa tsy araka ny tokony ho izy ny fifampizarana. Niha-niakatra ihany ny feo ary tonga hatramin’ny fifampikasihan-tanana sy fandraisana zava-maranitra izany. Tsy nisalasala tokoa ilay iraika lahy namely ity nifanapa-tsinay taminy tamin’ny famaky. Voa teo amin’ny lohany ity farany ary maty tsy tra-drano. Niditra an-tsehatra malaky ny tompon’andraikitry ny fokontany saingy tsy nisy azo natao intsony. Hany hery dia nampilaza avy hatrany ny zandary tao Andriampamaky, izay tonga teny niaraka tamin’ny mpitsabo. Efa tsy nisy azo natao intsony moa mahakasika ilay tovolahy iray voakapan’ny famaky. Nosamborina avy hatrany kosa ilay rahalahy nahavanon-doza. Nentina natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny zandary sy nanaovana famotorana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici