- Publicité -
mercredi, octobre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkilibe-Ampanihy : Famonoana vehivavy varira, mangataka ny hanadihadiana ny ben'ny tanànan'Ankilizato i Soja...

Ankilibe-Ampanihy : Famonoana vehivavy varira, mangataka ny hanadihadiana ny ben’ny tanànan’Ankilizato i Soja Fulgence

Noho ilay taranga niseho tao amin’ny fokontan’Ankilibe, kaominina ambanivohitra Ankilizato, distrikan’Ampanihy ny alin’ny  17 Septambra 2026 teo, izay nisian’ny fanampahan-doha nataon’ireo olon-dratsy tamin’ilay vehivavy iray manana toe-tena varira 40 taona, dia mitondra fanazavana manoloana ny fivoaran’ny raharaha ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Andriamatoa Soja Fulgence. Raha ny fitantarany, dia nanao ny fanarahan-dia taorian’ny fanafihana niseho ny fokonolona tamin’ny andro voalaza etsy ambony, saingy diso lalana tao amin’ny tanànan’Andranolava ny iray tamin’ireo telo nahavanon-doza. Ny roa lahy tamin’ireo  kosa mbola tsy nahita lalana nandosirana, teo akaikin’ny biraon’ny  » CISCO an’Ampanihy.  » Ny tena marina hoy ny filohan’ny fikambanana varira, dia hezahin’ireo tomponandraikitra any an-toerana takonana ity raharaha ity, satria isan’ireo voalaza manafina sy miaro ny olon-dratsy ny ben’ny tanànan’Ankilizato no tsy vitan’izay, fa manao tsindry sy ramatahora amin’ireo fianakavina manana ny maty. Taorian’izay dia nitakiana vola iray tapitrisa Ariary, hoe: hanaovana  » Constatation  » ny razana, miampy omby roa, vary 3 gony, vola 340000 Ariary homena ny mpiray dinam-pokonolona ireo fianakaviana ireo. Ny fampitam-baovao voaray hatrany no nahalalana, fa tsy hanaiky hatramin’ny farany amin’izao fanaovana tsinotsinona sy tsy maty manonta misy izao ny fikambanan’ireo olona manana toe-tena varira eto Madagasikara, sady mangataka ny hanomezana sazy ny ben’ny tanàna ao Ankilizato, ary ny hamerenany ny vola nalaina tamin’ny fianakavian’ny namoy ny aina, vokatry ny fanafihan-jiolahy. Manao antso ihany koa ny fikambanana mba hanaovana fanadihadiana ny tomponandraikitra any amin’iny faritra Ampanihy iny, indrindra ny lehiben’ny distrika, izay hita fa miandany amin’ilay ben’ny tanàna. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra, dia tsara ny mampahafantatra, fa tsy nokitihina na nalevina ny razana mandrak’androany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici