- Publicité -
dimanche, septembre 27, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkililoaka Toliara : Rangahy tratram-badiny niray tamin’ny zana-drahavavin-dramatoa

Ankililoaka Toliara : Rangahy tratram-badiny niray tamin’ny zana-drahavavin-dramatoa

Raim-pianakaviana iray sahabo ho 30 taona eo no tratram-badiny niray ara-nofo tamin’ny zana-drahavavy 17 taona teo ambony fandriany, afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny 10 ora, tany Ankililoaka Distrikan’i Toliara II. Rehefa nody tampoka tao an-trano avy namonjy fahoriana tany amin’ny Kaominina ambanivohitry Tsianisiha ramatoa; izay manana ny fanalahidy manokan’ny tranony, dia taitra sy kepoka tsy nahateny nahita am-badiny mifampizara fahafinaretana amin’ny zana-drahavaviny. Ankona tsy nahateny kosa rangahy izay tsy nanam-po am-badiny ho tonga tampoka andro alina tamin’io fotoana io. Romotry ny hatezerana ramatoa ka raikitra ny fifamialana niafara tamin’ny ady saritaka sy sakoroka tao an-trano. Voatsindrona antsy ilay tovovavy mpangala-badin’olona. Naratra mafy voatsindron’antsy teo amin’ny takibany ilay tovovavy namadika ny nenifarany. Raha vao nahita izany rangahy nangala-pitia tamin’ny havam-badiny, dia nitsoaka nitsambikina teo am-baravarankely, fa tsy mba niaro akory an’ity olon-tiany tsy ampy taona. Ny teo amin’ny manodidina izay taitra tamin’ny antso vonjy sy tabataba no nitondra haingana an’ilay tovovavy naratra mafy niboba rà nihazo tobim-pahasalamana, mba hamonjena ny ainy. Raha ny fantatra, dia hanampy an’ireto mpivady mpivarotra sady mpitety tsena manan-janaka kambana roa kely amin’ny fitaizana an’ireo zaza no antony nakana an’ity tovovavy kamboty reny tany Toliara, kinanjo zava-doza no nitranga. Nilaza ho narary voan’ny tazomahery rangahy ny andro alarobia io, ka tsy niaraka tamim-badiny namonjy fahoriana. Kay efa tetika maty paika ny azy roa tao hiliba fitiavana, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici