Omaly atoandro , tokony ho tamin’ny 12 ora teo no nitrangan’ity lozam-piarakodia ity , teny amin’iny faritra Ankirihiry iny . Araka ny loharanom-baovao voaray ,dia nidona mafy ity fiara ity ka niantefa tamin’ny rindrina . Fantatra fa olona 5 no naratra mafy tao anatin’izany ka mbola miady amin’ny fahafatesana avokoa ireo olona rehetra ireo amin’izao fotoana, ny fiara kosa dia potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony , ireo entana rehetra tao anaty fiara ihany koa dia tsy nisy tavela intsony fa niparitaka tanteraka nameno ny arabe. Araka ny vaovao voaray, dia voalaza fa vokatry ny fandehanana diso mafy loatra teo amin’ny mpamily no nahatonga ity loza ity. Nisy tamin’ireo naratra moa no tapa-tànana, tao ihany koa ny tapa-tongotra , ary voa mafy teo amin’ny loha kosa ny ambiny. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana moa ireto naratra ireto noho ny rà diso very loatra tao anaty fiara.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)