- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkirihiry Toamasina : Mpanamboatra vola sandoka sy mpisoloky tra-tehaky ny polisy

Ankirihiry Toamasina : Mpanamboatra vola sandoka sy mpisoloky tra-tehaky ny polisy

Ity tokoa no tonga amin’ny fiteny hoe : « ela nitoratorahana ka ny afarany nahavoa mason’angatra ». Ny alarobia 29 aogositra teo tokony ho tamin’ny valo ora maraina, dia nahazo vaovao marim-pototra tamin’ireo andrimasom-pokonolona mpiara-miasa aminy ny polisin’ ny FIP eto Toamasina, fa ao amin’ny fokontany Ankirihiry P/elle 11/56 dia misy andian’olona mikononkonon-javatra hafahafa, satria misy zavatra mipoapoaka foana mivoaka avy amin’ity tokantrano ity. Vao naharay ny vaovao ny teo anivon’ny FIP dia nandefa polisy nijery ny zava-nisy, saingy vao tonga tao amin’ilay tokantrano ny polisin’ny FIP dia nirifatra nandositra nitsambikina fefin’olona mifanila aminy ireto tovolahy roa tao an-trano nisian’ity zavatra nipoaka nampiahiahy ny manodidina ity. Raikitra avy hatrany ny fanenjehana azy roa lahy, satria matoa nisy ny fandosirana, dia misy nampiahiahy azy roa lahy tsy nety natao, tao. Vao tratra izy roa lahy, ingahy Maurice 29 taona sy Firmin 36 taona, ireto dia nentina nanamarina ny fisavana ny trano misy azy ireo, tratra tamin’izany, fa fitaovana fampiasan’izy ireo amin’ny fanaovana vola sandoka ity nipoapoaka be nanaitra ny manodidina ity; mbola tratra tao amin’izy ireo koa fonosana vovoka hafahafa izay manempotra be, sy fonoka fampiasan’izy ireo amin’ny asan-jiolahy fanaon’izy roa lahy ihany koa, ary mbola maro koa ireo ranomainty fampiasan’izy ireo amin’ny fanaovana ny vola sandoka tratra tamin’izy roa lahy; saingy tsy nahitana vola sandoka kosa anefa tao amin’izy roa lahy ireo nandritra ny fisamborana azy ireo. Mbola nahatrarana môtô halatra ; izay fampiasan’izy roa lahy ireto amin’ny fanapariahana ireo vola sandoka sy amin’ny asan-jiolahy fanaon’izy ireo koa tao an-tranon’izy ireo tao Ankirihiry ity. Ankoatra izay, dia manao antso avo hatrany ny FIP amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa efa tena tsara sy nahazoam-bokatra eo amin’izy ireo sy ireo andrimasom-pokonolona misy ankehitriny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici