Rangahy iray mpanamboatra trano no main’ny herinaratra teo ampanamboarana ity trano iray tao Ankirihiry izay « aide – maçon » ny asany andavanandro. Tena may hatramin’ny 60% ny vatany indrindra ny tapany ambany amin’ny vatany. Raha arakany fitantaran’ny fianakaviany dia nahakasi areny tarobia somary mangirana amin’ny andrin’jiro ireny ny tenany, ka izao naha-may azy ny herinaratra izao. Nandritra izany dia sady nipitika sy torana izy no may be io ny vatany. Nentin’ireo mpiara-miasa aminy teny amin’ny CHU Morafeno ny tenany nandritra izany, ary teny no nahazo ny fitsaboana sahaza azy ity rangahy main’ny herinaratra. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny CHU Morafeno izy hatreto, ka miantso fanampiana ny anabaviny fa henjana be ny fahavoazana sy ny ratra mahazo azy. Mananentana hatrany ny jirama fa fikasika ireny tarobian’ny jirama ireny satria efa misy mandeha ny herinaratra amin’ny faritra maro eto Toamasina. Raha mahita azyireny ny olona dia ny miantso ny mpiasan’ny jiramano tokony atao mialoha, mba hisoroana ny loza ateraka izy ireny.
Malala Didier




