- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnkizivavy nalaina an-keriny : Noteren’ireo jiolahy ho sipany ary entin’izy ireo manaraka...

Ankizivavy nalaina an-keriny : Noteren’ireo jiolahy ho sipany ary entin’izy ireo manaraka azy

Ny faramparan’ny volana desambra lasa teo ity ankizivavy iray 15 taona no nalain’ireo jiolahy an-keriny, nandritry ny fanafihana ny tananan’izy ireo tao Somangany, fokontany Ampangambe, kaominina Amboasary Gara. Nanomboka teo, teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy foana izy. Noteren’ny iray tamin’ireo olon-dratsy ho sipany ity ankizivavy ity nanomboka teo ary nentin’izy ireo nanaraka azy tamin’ireo “operation” rehetra nataon’ireto andian’olon-dratsy ireto. Nanomboka teto Analamanga ka hatrany Miandrivazo. Mazava ho azy noho ny tahotra dia nanaiky tsy fidiny ilay ankizivavy ary tsy votsotra teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy raha tsy faran’ny herinandro teo, nandritry ny hetsika notanterahin’ny avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Moramanga, baiko avy amin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Alaotra Mangoro.

Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia nisy ny fampandrenesena azon’ireo zandary avy ao Moramanga mamita iraka, fa misy andian’olona mampiahiahy sy mitondra zavatra ao anaty gony tao amin’ny ala “sapin”, teo anelanelan’Analakatrana sy Ambatobe, kaominina Soalazaina, Ambatondrazaka. Tao anatin’ny fisafoana rahateo ireto mpamita iraka ireto ka nidina avy hatrany tany an-toerana. Tsikaritra tokoa ireto olona ireto, lehilahy miisa enina ary vehivavy iray. Velona ny fifampitifirana, izay naharitra teo amin’ny antsasakadiny teo raha ny fanazavana azo. Ary niafara tamin’ny fandavona ireo olon-dratsy, niisa enina. Avotra soa aman-tsara koa ilay zazavavy nentin’izy ireo. Marihana fa isan’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny efa hikoizana tany amin’iny faritra iny sy tamin’ny faritra maro ireto olona voatifitra ireto ary efa betsaka ny nitondra faisana tamin’izy ireo. Mbola nahitàna basy sy ody marobe tany amin’ireto farany tamin’io fotoana io. Tiana hatrany ny manentana ny rehetra hoy hatrany ny zandary amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny alalan’ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana, hahafahana mahazo vokatra toa izao. Etsy andanin’izay, milaza ny tsy hitsitsy ihany koa izy ireo amin’ny olon-dratsy manabotry sy tsy mamela ny olona hiaina ankalalahana sy hamokatra.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici