Vehivavy lehibe iray no nosamborin’ny pôlisy, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Voarohirohy tamin’ny resaka fanaovana herisetra sy fitazomana olona an-keriny tao an-tranony. Ankizivavy kely 13 taona no lasibatra teto, raha tonga nitaky ny vola vidina pirina tany an-tokatranony. Tranga niseho tao Ihosy vao tsy ela akory izay. Araka ny fampitam-baovao azo dia, rehefa tsy niverina intsony tao an-tranony, ilay zaza dia nametraka fitairanana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy tao amin’ny ny kaomisarian’Ihosy ny ray aman-dreniny. Nandray an-tanana ny raharaha ireto farany, ary tamin’izay fotoana izay no namotsoran’ilay ramatoa azy moramora. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha rehefa fantatra ny zavatra nataony fa izao niafara tamin’ny fisamborana azy izao. Ny zava-nisy. Mpivarotra pirina ny renin’ity zazavavy kely ity, ary isan’ireo mpanjifa izany ilay ramatoa nitazona azy an-keriny. Raha ny fantatra anefa dia mbola tsy nanome vola ilay nividy an’ilay pirina fa hoe atao trosa aloha. Tonga ny andro tokony hanefany ilay trosa, ary ela ny ela fa mbola azo hatrany ilay vola ka nirahin’ilay mpivarotra ho any amin’ity vehivavy ity ny zanany, 13 taona. Zava-doza anefa no nitranga tany. « Rehefa tonga tany anefa ity zaza ity dia notereny hiditra tao an-trano ary nogiazany tao sady novonoiny. Gaga araka izany ny renin’ity satria tsy niverina vetivety ilay Zaza ka nandeha avy hatrany tany an-tranon’ity ramatoa nananana vola ity ary mbola vava no azony tao fa tsy navoakany ny zaza » hoy ny fampitam-baovao azo. Very fanahy araka izany ireto ray aman-dreniny ka hany hery dia io nampandre ny mpitandro filaminana io. Tamin’ny fotoana nahitàna ity ankizivavy ity moa no nilazan’ity farany fa ilay ramatoa, nanana trosa vidina pirina no nitazona sy namono azy. « Nosamborina araka izany ity farany nanaovana ny fanadihadiana. Omaly no natolotra teny anivon’ny fampanoavana ny raharaha » raha ny vaovao azo hatrany.
m.L