- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano – Ambatoroka : Zaza rano roa nisy nanary

Ankorondrano – Ambatoroka : Zaza rano roa nisy nanary

Tato ho ato, dia nirongatra indray ny fanalan-jaza na teto Andrenivohitra na ny manodidina izany. Taorian’ny tranga nahitana fatin-jaza tao anaty gony tamin’ny sisin’ny làlam-pirenena fahafito iny, dia fatin-jaza menavava manodidina ny dimy volana indray no hitan’ny mpiasan’ny SAMVA tao anaty dabam-pako, tetsy Ambatoroka raha iny izy ireo nandraoka ny fako hariana iny. Ny alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 6 ora teo, no nitrangan’izany. Ny manodidina samy tsy nisy nahafantatra ny zava-nitranga, satria samy variana tamin’ny asa aman’andraikiny avy. Ireo mpiasan’ny SAMVA no sendra nahatsikaritra zavatra hafahafa nifono pataloa kely ka nanala izany. Akory ny hatairan’izy ireo raha nahafantatra fa hay fatin-jaza menavava nisy nanary no tao. Marihina fa mbola niaraka tamin’ny tavoniny ity farany. Avy hatrany izy ireo dia nampandre ny manodidina sy ny polisin’ny boriborintany faharoa. Ireto farany no niantso ny BMH haka ny vatana mangatsiakan’ilay zaza tsy manan-tsiny. Tokony ho tamin’ny roa teo vao niala teny an-toerana ny razana. Misokatra ihany koa ny fanadihadiana ny amin’ny olona nahavanona ny loza.

Ankorondrano.Ankoatr’izay, nahitana fatin-jaza menavava ihany koa tao anaty tatatra tetsy Ankorondrano manakaiky ny fiantsonan’ny “taxi-be”. Raha ny filazan’ny manodidina dia ankizy avy nirava nianatra tamin’ny 11 ora izay variana nijery trondro tao anatin’io lakandrano io no nahatsikaritra izany voalohany. “Noheverin’izy ireo fa saribakoly ilay izy tamin’ny voalohany, fa ilay tadim-poitra no nanaitra azy ireo fa hay tena olona ity mitsingevana ambony rano maloto ity” hoy ny fanazavan’ny raim-pianakaviana mpivarotra manodidina ny toerana. Teo vao samy taitra ny olona rehetra ka nitangorona teo avokoa. Raha ny fijery azy, dia manodidina ny 7 volana eo ity zaza nalain-dreniny ity. Misy ny nanamarika fa mety ho natsipy tao io fa tsy nentin’ny rano akory. Ny vaovao re teny an-toerana ihany koa no ilazana fa toa hoe efa tamin’ny fiandohan’ny herinandro no teo io razana kely io fa tsy nisy taitra ny manodidina. Omaly vao nikoropaka ny rehetra ary nampilaza tamin’ny mpitandro filaminana miasa eny an-toerana. Ireo indray avy eo no niantso ny avy ao amin’ny BMH haka ilay faty.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici