- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Fiara 4X4 nivadika ambony ambany, maty ny mpamily, zandary roa...

Ankorondrano : Fiara 4X4 nivadika ambony ambany, maty ny mpamily, zandary roa maratra

Ny alahady maraina be tokony ho tany amin’ny 3 ora tany ho any, nisehoana lozam-pifamoivoizana ny lalana Ankorondrano aloha kelin’ny fivarotan-dantsy raha avy aty Antanimena. Vokany, maty ny mpamily ary nisy zandary niaraka taminy naratra mafy. Mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly izy io amin’izao fotoana izao.

Samy mbola ao anaty torimaso avokoa ny rehetra tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Zavatra nirefodrefotra sy nidona mafy niverimberina no nanaitra ny manodidina. Liana te hahita vaovao moa, ka dia nisy ireo nandeha nijery ny zava-nitranga. Io ny fiara 4X4 iray ambony ambany, ny kodirana efatra no ambony. Feno vakim-pitaratra ny arabe. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tafapitika nivoaka ny fiara ny mpamily ary dia maty vaky loha vokatr’izany. Ilay zandary niaraka taminy kosa, voalaza fa nosokirina vao tafavoaka tao ary naratra mafy. Samy nanana ny filazany ireo izay nahita voalohany ny fandehan’ny loza. Ao ireo niteny fa olona maromaro no tao anatin’ilay 4X4. Zandary avokoa ankoatra ny mpamily ka roa tamin’ireo no naratra ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Ampefiloha sy Soavinandriana amin’izao fotoana izao.

Nandeha mafy. Ireo mpampiasa ny làlana Ankorondrano amin’ny maraina be, dia samy mahafantatra avokoa fa misy ireny sarety tarihin-tànana ireny, mitondra vokatry ny tany, toy ny anana, ho any Analakley, mandeha eny. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tamin’ny fotoanan’ny loza, niala sarety kely iray ny mpamily ilay 4X4. Tsy voafehy anefa ny familiana tamin’izay ka tonga dia nivadika ny fiara. “Nandeha mafy io”, hoy ireo rehetra nahita niombom-peo. Tsy nahadona ilay sarety ny fiara. Avy aty avaratra hianatsimo ilay izy, izany hoe ny ilany andrefan’ny arabe no nombany, Ankorondrano-Antanimena. Nivadibadika in’efatra ilay izy vao nahazo toerana. Tafapita teny amin’ny ilany atsinana, nandingana ilay dongona afovoan’ny lalana ny fiara. Ny naha-maika ny rehetra dia ny nitondra ny naratra tany amin’ny trano fitsaboana. Ny vaovao voaray hatrany no nahafantarana fa an’ireny orinasa misahana fiambenana ireny ity fiara ity. Tamin’io fotoana io, handeha hanao “contrôle” ny olona tao anatiny. Anisan’ny miasa amin’izany, ireo mpitandro filaminana tao anatin’ny fiara.

Tsy vao izao no nisy loza tamin’io toerana io fa efa imbetsaka mihitsy izay. Ny farany fantatra sy akaiky dia ilay fiara 4X4 iray tafahanika ilay pôtô, taona iray lasa izay.  Dia mbola io andry io ihany no nitaty ny fiara nivadika omaly. Dia mandeha ny resaky ny olona fa misy lolo angamba eny, satria tsy maintsy misy maty izay fiara midofotra eo. Izay fahamarinan’izany tsy fantatra.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici