- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Lehilahy iray vaky loha nodomin’ny fiara

Ankorondrano : Lehilahy iray vaky loha nodomin’ny fiara

Lehilahy iray indray no voadonan’ny fiara tamin’ny lalana Ankorondrano, omaly efa alina ihany, tany amin’ny 8 ora sy sasany tany. Feno rà indray iny arabe vao nahafaty olona tamin’ny alahady lasa teo iny. Tsy nifanalavitra tokoa mantsy ny toerana nisy ny loza omaly sy ilay tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Ireo olona miasa amin’iny sisin’ny lalana iny no nitantara ny fandehan-javatra. Nolazain’izy ireo fa niampita avy amin’ny sisiny havanana, raha ho any Ivandry, ilay lehilahy, nihazo ny fiantsonan’ny taxi-be ampita andrefana tsy lavitra ny Materauto. Avy any avaratra ny fiara nentin’ny vazaha. Dona mafy no re, hoy ilay nitsangana ho vavolombelona. Rehefa tonga nijery ny zava-nitranga ny olona maromaro dia io efa tsy nahatsiaro tena ilay voadona. Nandriaka ny rà. Vaky ny jiron’ilay fiara Mercédès, potika ihany koa ny « pare à brise » izay voalaza fa nitaty ny lohan’ilay voadona. Tamin’ity indray mandeha ity, nijanona tsy nandositra adidy ilay nandona. Tonga dia nandray andraikitra izy nitondra io naratra io any amin’ny hopitaly. Najanony teo ny fiarany.

Araka ny vaovao, « docker » handeha hody eny Ankorondrano Andranomahery ity naratra ity. Lehilahy 39 taona, araka ny filazan’ny anabaviny tonga teny an-toerana. Tamin’ny omaly alina dia nanamarika ny rehetra fa tena maizina tokoa ny toerana nisehoan’ny loza. Tsy mireheitra ny jiro amin’ny pôto eo akaiky eo.

Tena misy lolo tokoa ve ilay toerana Ankorondrano ? Mipetraka ny fanontaniana.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici