Afak’omaly hariva tokony ho tamin’ny 4 ora teo no nentina teny amin’ny hopitaly ity ramatoa be ity, izay voalaza fa nianjeran’ny tamboho vokatr’ilay rotsak’orana nitranga ny sabotsy lasa teo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa tsy tana intsony ny ain’ity ramatoa ity rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Alanenina sisa ny an’ny fianakaviana sy ny mpitsabo efa fantatra fa tsy ho avotra intsony ny ainy noho izy efa antitra .Teo ihany koa ny fianjeran’ny tamboho izay mafy dia mafy. Araka ny vaovao voaray mantsy dia voalaza fa efa nanomboka tsy nahatadidy olona intsony ity farany talohan’izy nentina teny amin’ny hopitaly, ny masony kosa efa nivadika maitso. Orana maherivaika no nitranga tamin’ny sabotsy ary nahatonga fahasahiranana maro teo amin’ny vahoakan’Antananarivo. Nisy ny olona namoy ny ainy nandritra iny oram-be iny, teo ihany koa no very fananana, noho ny firodanan’ny trano maro isan-karazany. Etsy andaniny dia maro ny traboina satria dibo-drano tanteraka ny tanana. Fianakaviana maro no misedra olana ankehitriny vokatr’iny iny oram-be iny.
FINARITRA RAKOTO(Stagiaire)