- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Môtô tsy hita tao amin’ny orinasa, nosamborin’ny pôlisy ny mpiambina

Ankorondrano : Môtô tsy hita tao amin’ny orinasa, nosamborin’ny pôlisy ny mpiambina

Orinasa lehibe iray, fantatra amina resaka fikojakojana fiara no tonga nametraka fitairanana teny anivon’ny pôlisin’ny boriborintany fahavalo, Analamahitsy, mahakasika fahaverezana môtô tao amin’izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana, dia niantefa tany amin’ireo mpiambina telolahy, tompon’anjara tamin’ny andro nahavezeran’ity môtô ity ny ahiahy. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia tamin’iny herinandro iny no nitranga ity raharaha ity. Ny zoma teo no tonga tamin’izy ireo ny taratasy fitarainana, fahaverezana môtô scooter an’ity orinasa ity. « Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka niantefa tany amin’ireo telo lahy mpiambina niasa tamin’io fotoana io ny ahiahy voalohany. Tamin’ny alalan’ny fanadihadihana no nahafantarana fa ireto mpiambina roalahy ireto no tompon’andraikitra tamin’io andro nahaverezana moto io. Nilaza izy ireo fa tsy nipetraka tao ilay moto tamin’io fotoana io. Nisy nahatsikaritra anefa fa ny iray tamin’ireo mpiambina ireo dia nanosika ilay moto very tamin’iny faritr’i Tsarasaotra iny », hoy ny vaovao hatrany. Omaly moa ireto farany no natolotra ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici