Lehilahy iray efa rain-dahiny amina trafikana basy no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava tetsy Ankorondrano, ny alahady lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary, dia efa ela no nahazoan-dry zareo vaovao mahakasika ity rangahy ity, izay marihana fa efa nigadra noho io resaka trafikana basy io hatrany. Natao ny vela-pandrika rehetra hisamborana azy, saingy tafaporitsaka foana ranamana. Ny alahady lasa teo anefa, sendra ny mahay noho izy ny lehilahy ka voasambotra ihany. Saika hananteraka ny asa ratsiny izy tamin’io fotoana io. Mbola nahitana balana MAS36 am-polony maro teny aminy. Tamin’ny fanadihadiana, dia niaiky ity rangahy ity fa, mpanao trafikana fitaovam-piadiana. Fantatra tamin’izany koa fa manodidina ny telo tapitrisa ariary eo ho eo no fivarotany ny basy “kalach” iray ary eo amin’ny efatra arivo ariary eo kosa ny bala. Omaly no natolotra ny teny anivon’ny Fampanoavana ity rangahy ity, ary nampidirina avy hatrany eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsarana azy indray. Efa mampiteny ny moana mihitsy ity resaka tsy fandriampahalemana ity, ary antony iray mampirongatra izany ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana. Ity farany izay mbola mampametra-panontaniana ny maro ihany ny fiaviany. Raha ho an’ity rangahy ity izao, dia fantatra fa mbola mitohy ny fikarohana ataon’ny zandary hahafantarana ny loharano nahazoany ireo fitaovam-piadiana ireo. Tsy mikely soroka tokoa ireo mpitandro filaminana amin’ity ady amin’ny tsy fandriampahalemana ity, ary porofon’izay ny fisiana tambajotra mpamatsy basy sy mpividy, tratra tany Moramanga (jereo lahatsoratra etsy ambany). Tsy mitsahatra manentana ny tsirairay araka izany izy ireo ny fanomezam-baovao amin’ireo olona mety mampiahiahy.
m.L