Nifanandrify amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy no nanomboka lasa maintibe ny arabe. Ny antony dia nisy fiara izay niraraka ny gasoil tao aminy. Tsy vitan’ny lenan’ny solika ny arabe fa tena lasa nalama. Nitera-doza ho an’ny mpampiasa làlana izany omaly antoandro. Nisosa tsirairay ary nianjera izay kodiaran-droa nandalo teo. Tena tsy tian’ny kodiaran’izy ireny mantsy ny solika sy ny menaka. Tao anatin’ny adiny iray monja dia efa tsy latsaky ny moto 40 isa no nianjera niaraka tamin’ny olona nentiny. Ireo taxi-moto izay niantsona teo an-toerana no nahita fa loza manambana no nitranga ary nanapa-kevitra izy ireo ny nisakana sy nampandre izay moto nandalo. Nisy ihany anefa ny mafiloha tsy mety nosakanana ary dia nandrasana fotsiny izay nisosany. Tompon’andraikitra tanteraka ny mpamily ny fiara amin’ny tranga toy izao. Voalohany dia fananana iombonana ny arabe ary azo heverina ho fanimbàna an’izany ny firarahan’ny solika teo amboniny. Afaka naka sisiny ary nijanona tsy nandeha intsony ny fiara dia nitady vahaolana raha vao hita ny filatsaky ny solika tao aminy. Tsy izay anefa no nitranga fa mbola nandeha bontolo ihany ary lasa nitera-doza ho an’ny hafa. Manarak’izany, mbola enjehin’ny lalàna malagasy koa ny toe-javatra mety mampidi-doza ny hafa (mise en danger d’autrui). Azo sokajiana ho izany ny nitranga omaly teo Ankorondrano. Saingy ny eto amintsika dia vitavita hoazy eny fotsiny. Toy ny hoe : ny azy aza efa mba simba ny fiara; tsy fidiny ho azy sns. Dia samy miala eny. Fa raha mba sanatria nisy fiara nandeha mafimafy ka tsy tafajanona taorian’ireo kodiaran-droa nisosa, mety azo eritreretina ny loza nitranga. Mila karohina ny mpamily tompon’andraikitra ity ary hampahafantarina azy ny tsy mety nataony araky ny lalàna. Baranahiny loatra ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra…
D.R




