- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Roalahy saika hanafika fiara

Ankorondrano : Roalahy saika hanafika fiara

Omaly hariva, tokony ho tamin’ny 8 ora alina tany ho any, teo Ankorondrano, eo amin’ilay sampanana miditra mankany Ambodivona iny, fiara tsy mataho-dalana iray  no saika lasibatra roalahy. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia toa efa nandrasan’izy ireo hivoaka avy any amin’ny Water Front avy any mihitsy ity fiara iray ity. Roalahy izy ireo, ka ny iray somary nipetraka tao amin’ny maizimaizina ary ny iray teo amin’ny sampanana mihitsy. Lalàna mifehy ny fifamoivoizana rahateo ny tsy maintsy handeferan’ireo fiara avy any amin’iny lalana iny, ka voatery nijanona ity fiara tsara tarehy. Tamin’izay indrindra no nanatona ny iray tamin’izy ireo, ka avy hatrany dia nidarodaroka ny fitaratr’ilay fiara teo aloha, ankavanana, tamin’ny vy. Afaka nitsoaka ihany anefa ity fiara ity ary tsy nahavita izay nokasainy ireo olon-dratsy, izay niala tsimoramora ihany koa, toa ireny olona tsy nanao na inona na inona ireny. “Nony nahita anay maromaro nitangorona izy ireo vao nihazakazaka”, hoy ny fitantaran’ny iray tamin’ireo nahita. Raha izany no zohina, tsy misy tahotra, ary tsy mifidy toerana anantanterahana ny asa ratsiny intsony ireo totakely. Vao tsy ela izahay no nitatitra teto fa efa tsy menatra miditra avy hatrany anaty fiara ireto olon-dratsy, manararaotra ny fitohanana manjaka eto an-drenivohitra. Mila mailo tanteraka araka izany ny tsirairay, ary averimberina foana ny hoe aza maka fanahy azy ireo eny an-dalana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici