- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : « Taxi » nandona môtô, niara-notrongisin’ny « Mazda »

Ankorondrano : « Taxi » nandona môtô, niara-notrongisin’ny « Mazda »

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoiza tetsy Ankorondrano, tsy lavitra ny toby fivarotan-tsolika iray teny an-toerana. Fiara roa sy kodiaran-droa iray no indray potika tao anatin’izany. Vokany naratra mafy ny mpitondra ilay môtô sy ny mpamily an’ilay fiara « minibus »

Loza vao maraina. Tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any no niseho izany loza izany, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Môtô iray, nanao taingin’efatra no maty teo am-povoan-dalana tamin’iny lalana mihazo an’Ivandry iny, nanakaiky ny trano misy orinasan-gazety iray. Mazava ho azy, mbola malalaka dia malalaka ny lalana tamin’io fotoana io. Ary tsy nieritreritra ny hanakasika haingana ilay môtô ho eny amin’ny sisin-dalana ireto mpitondra azy. Tamin’izay indrindra anefa no nisy fiarakaretsaka nirimorimo avy any, tsy nahita ilay môtô teo am-povoan-dalana ka nandona azy ireo. Samy tsy nisy naninona ny olombelona fa ireo fitaovam-pitaterana no nahitana fahasimbana. Raikitra teo ny fifanazavana teo amin’ny roa tonta, mbola samy eo am-povoan-dalana hatrany. Ankevitry ny nety nisy nifanarahan’ilay mpitondra môtô sy ny mpamilin’ilay taxi angamba, hoy hatrany ny fitantaran’ireo nanatri-maso, fa hoe hampiakarina aorian’ilay taxi ity kodiaran-droa. Raha mbola teo am-panaovana izany anefa izy ireo no tamy avy any ihany koa, ny fiara « minibus Mazda » iray, nitrongy avy ato aoriana ireto farany. Mafy dia mafy tamin’izay ny fifandonana teo. Tavela teo anelanelan’ireo fiara anankiroa ilay môtô, niaraka tamin’ilay mpitondra azy, izay tafahitsoka tao ambany. Raha ny voalaza dia naratra mafy ity farany ary efa nentina nihazo ny tobim-pahasalamana. Toraka izany ihany koa ny mpamily ilay fiara nandona faharoa. Potika tanteraka moa ny aoriana iray manontolon’ilay taxi, raha ny lohany ankavia kosa ny an’ilay minibus. Ilay môtô moa dia tsy nisy azo noraisina.

Raha vao nahare ny loza ny mpitandro filaminana dia nidina avy hatrany teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy. Ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana kosa no mandray an-tanana ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici