- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnosiala : « Carrière » nihotsaka, tovolahy iray maty voatotry ny tany

Anosiala : « Carrière » nihotsaka, tovolahy iray maty voatotry ny tany

Loza mahatsiravina no nitranga tao Mandrosa, Anosiala Ambohidratrimo ny faran’ny herinandro lasa teo. Lehilahy iray, 20 taona no voalevim-belona tao anaty toeram-pitrandrahana iray teny an-toerana. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany teo ho eo no niseho ny loza, ny sabotsy lasa teo araka ny tatitry ny zandary tonga taty aminay. Tao anatin’ilay rivotra sy ora-mikija teo an-drenivohitra iny dia mbola nanohy ny asany andavanandro ihany ireo mpiasa tao amin’ilay « carrière », izay mazava ho azy fa tsy maintsy misitrika anaty lavaka. Azo heverina fa vonton’ny rano ny tany ka malemy sy tsy nahazaka intsony vesany, hany ka nihotsaka. Ny loza anefa dia mbola tavela tao ambany tao ity tovolahy, izay isan’ireo mpiasa tao amin’io toerana io ihany. Ireo olona nahita ny zava-nisy no nahatsikaritra izany, ka niantso vonjy tamin’ireo fokonolona. Samy niezaka nanesotra ny tany teo amboniny avokoa na ireo mpiasa na ireo fokonolona, saingy efa tsy nisy azo natao intsony ny amin’ilay tovolahy. Na dia teo aza ny fiaraha-mientan’ireo mpamonjy dia efa vatana tsy misy aina intsony no nosokirina tao anaty tany. Nampandrenesina tamin’ity zava-niseho ity ireto tompon’andraikitra isan-tokony teny an-toerana. Tonga nijery ny zava-nisy teny ifotony ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohidratrimo, niaraka tamin’ny mpitsabo, nitily ny razana. Efa nomena ny fianakaviana moa ny razana taorian’izay. Tetsy andanin’izay kosa, na dia heverina ho loza voajanahary aza no mety ho nahatonga ny loza dia nosokafan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici