Fianakaviana nana-manjo izay lavon’ny Covid-19 ka nandeha nandevina no nahatsikaritra ny zava-nisy tao an-toerana. Niparitaka ny rindrina matevina izay vita tamin’ny simenitra na « béton ». Ireo vy tao anatiny no nanjavona ary nahatonga ny saina nieritreritra fa mpangalatra vy no nandroba ny fasana. Mangina ny toerana ary haolo na dia vao haingana aza no vita. Tsy misy olona mitsiditsika noho ny antony izay iaraha-mahalala, ny lavon’ny valanatetina no nasitrika ao. Samy mailo arak’izany ka na ny manodidina aza manalavitra ny fasan’ny firaisam-po. Tsy mba ny jiolahy izay tsy kely làlana anefa izany. Vao mainka aza nandrisika ireto farany sy nanamora ny asa ratsiny ny tsy fisian’ny mpiambina sy ny fahanginana etsy amin’ity fasana iombonana etsy Anosiala ity. Vao tamin’ny herinandro lasa teo no nisy nalevina tao mialoha ity fandevenana farany tamin’ny faran’ny herinandro teo ity. Razana mbola lena avokoa ny ao ary tsy azo heverina fa ny mpangalatra taolam-paty no tompon’antoka. Tsy nisy afa-tsy ireo vy anaty béton rahateo no nanjavona raha ny fijerin’ny olona. Na izany aza dia efa mampiferotr’aina ny manana havana milevina ao sahady ny fisian’ity fandrobàna ity, toa ny hoe sao hihitatra amin’ny ratsy ny sain’ireo ka hangalatra zavatra hafa koa. Vahaolana maika arak’izany ny mba tokony hametrahana mpiambina amin’ny toerana.
D.R