- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe an’Ala : Jiolahy nanafika tsy nahazo izay nilainy

Anosibe an’Ala : Jiolahy nanafika tsy nahazo izay nilainy

Natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy dimy niaraka tamin’ilay vehivavy mpampiantrano, ny alatsinainy 16 aprily 2018, niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana teny amin’izy ireo. Efa hatramin’ny alin’ny  faha-3 aprily 2018 no efa tonga nanafika fivarotana tao amin’ny fokontany Androrangabe, kaominina ambanivohitra Niarovana, distrikan’Anosibe An’Ala, ireo dimy lahy, ka nahatonga ny firaisankinan’ny fokonolona rehefa nahare ny antsoantson’ity mpivarotra tafavoaka ny trano nandritra ny fifandonana tamin’ireo jiolahy mpanafika io alina io. Nitondra basy vita gasy 3 sy bala 9mm ary antsy 2 izy ireo. Tsy tanteraka ny alin’ity andro ity ny fanafihana noho ny firaisankinan’ny fokonolona sy ny fiarovan-tenan’ilay mpivarotra. Nampilaza ny zandary tao an-toerana ny niharam-panafihana ka nandray ny andraikiny avy hatrany nanao ny fanarahan-dia izy ireo ny 5 aprily 2018. Tao an-tranon’ilay ramatoa teo am-pananomanana ny teti-dratsiny amin’ny fanafihana hatao manaraka no nahatraran’ireo mpanara-dia azy . Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ireo zandary sy ny fokonolona any amin’iny faritra iny hiadiana amin’ny asa ratsy isan-karazany.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici