- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Andian-jatovo manery olona hiditra elakelan-trano sy manendaka

Anosibe : Andian-jatovo manery olona hiditra elakelan-trano sy manendaka

Omaly, tany ho any amin’ny folo ora maraina tany, mpiantsena iray no lasibatry ny andia-mpanendaka tetsy Anosibe, tsy lavitra akory ny tetezana, alohan’ny fiviliana mihazo an’Andavamamba iny.

Tsy mety kely lalana mihitsy ! Miova paik’ady isan’andro izao ireo tontakely entiny manao ny asa ratsiny. Manodidina ny enin-dahy teo izy ireo. Enin-dahy izay toa anisan’ireo mody mipetrapetraka eny amin’ny tamboho eny, kanefa rehefa mahita ny hazany dia midina. Mody mitankisinkisina avy eo. Nohodidinin’izy ireo mihitsy moa, nony farany, ary notereny hihazo elakelan-trano iray tsy lavitra teo. Voalazan’ity olona niharan’ny fanendahana ity fa toerana malalaka feno andian’olona milalao irony «baby» sy «billard» irony no nitondrany azy avy eo. Ary teo no nendahin’izy ireo ankitsirano izy. Notakiana ary nosavasavaina mihitsy moa ity olona ity.

Tsy afaka nanao na inona na inona mihitsy ity olona ity teo anatrehan’ny zava-nisy. Tsy navelan’izy ireo niantso vonjy na nikiaka mantsy fa avy hatrany dia rahonany ny hotsindromina amin’ny antsy. Ho an’ireo olona mifamezivezy rahateo, dia toa ireny hoe miaraka amin’ny olona ireny izy na hoe fanahy iniany mihitsy ny hiditra any amin’ilay elakelan-trano fa tsy olona iharan’ny fanendahana velively. Soa ihany, tsy nisy afa-tsy finday kely sy vola 3 500 ariary tany aminy. Nalain’ireo mpanendaka ny vola sy ny finday, naverin’izy ireo kosa ny «puce».

Koa satria anaty hamehana ara-pahasalamana isika izao ary efa misy ny fametrahana ny tsy azo hivezivezena amin’ny alina, izay heverina angamba fa tsy ahafahan’izy ireo miasa toy ny mahazatra intsony dia amin’ny antoandro be nanahary sy imasom-bahoaka izy ireo no manao ny asa ratsiny. Ary ny loza, ny sasany dia eo ambany mason’ny mpitandro filaminana mihitsy no manao ny ataony, saingy toa voan’ny masobe tsy mahita ireto farany. Toy ity nitranga tetsy Anosibe ity dia marihina fa dia tsy ialàna pôlisy eo amin’io «rond point» avy any Andavamamba io kanefa dia tena sahy ireo mpanendaka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici