- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Andian-jiolahy nifampitifitra tamin’ny pôlisy : telo maty, iray tafatsoaka

Anosibe : Andian-jiolahy nifampitifitra tamin’ny pôlisy : telo maty, iray tafatsoaka

Poa-basy maromaro no re nanakoako teny amin’iny faritra Anosibe, manakaiky ny toerana fandraisam-bahiny iray. Araka ny fanazavana azo, dia fifamaliana tifitra teo amin’andian-jiolahy sy pôlisy no niseho. Vokany, nisy olona telo maty.

Nisahotaka tanteraka indray ny tetsy Anosibe omaly hariva tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any. Tsy nisy nahafantatra izay niseho ny rehetra, fa samy namonjy ny ainy nitsoaka avokoa ireo mponina. Nirefodrefotra tanteraka mantsy ny basy tamin’io fotoana io. Ny hitan’ny rehetra: nisy mpitandro filaminana nisaron-tava maromaro nifanenjika tamin’andian’olona. Nifampitifitra izy ireo ka nisy telo tamin’ireo nenjehina no nianjera ary ny iray aza latsaka tao ambany tetezana iray teny an-toerana. Nisy olona iray ihany koa azon’ireo mpanenjika, sambo-belona.

Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny pôlisy, dia nifanehitra tamin’andian-jiolahy nikononkonona fanafihana ny pôlisy miady amin’ny andian-jiolahy mahery vaika na ny SAG, omaly, tetsy Anosy. Nisy dimy ireo olon-dratsy ireto ; izay nandeha fiara « Renault Traffic ». Efa ela no tonga teny am-poto-tsofin’ireto hery manokana avy ao pôlisim-pirenena ireto ny fisian’ireto olon-dratsy ireto ka avy hatrany dia nidina teny an-toerana izy ireo. Efa nanomboka teny Anosy ny fanarahana ny fihetsik’izy ireo sy ny fitsongoana dia azy ireo. Nony tonga teo amin’io toerana fandraisam-bahiny iray teny Anosibe io anefa, dia tsikaritr’ireo olon-dratsy fa misy pôlisy manaraka azy ireo ka tsy nisalasala ireto farany nampiasa ny fitaovam-piadiana mahery vaika teny an-tànany. Tetsy an-danin’izay, tsy maintsy niaro tena ireo pôlisy ka namaly tifitra. Nanomboka teo ny fanenjehana. Efa zatr’ady tanteraka ireo hery manokan’ny pôlisy ka nisy tamin’ireo olon-dratsy no lavon’ny bala avy hatrany. Nisy telo izy ireo, raha ny loharanom-baovao avy teo anivon’ny pôlisim-pirenena hatrany. Tsy vitan’izay, fa mbola nisy olona iray azo sambo-belona tao anatin’ilay fiara. Vehivavy izy io, hoy hatrany ny vaovao. Basy mahery vaika roa ihany koa no tratra teny amin’ireto olon-dratsy ireto : « kalach » iray ary « pistolet-mitrailleur » na PM niaraka tamin’ny tranom-bala sy bala maromaro. Na izany aza anefa, dia tafaporitsaka ny naman’izy ireo iray. Nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty ireto olon-dratsy maty voatifitra ireto. Ilay vehivavy kosa nentina tany amin’ny birao hofotorana. Hatramin’ny omaly hariva , dia mbola nanatanteraka savahao teny amin’ny manodidina ireto mpitandro filaminana ireto.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici