
Ao anatin’ny ezaka amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy isan-karazany sy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ny eo anivon’ny polisim-pirenena amin’izao. Raha ny teto amin’ny faritra Analamanga manokana dia nisy ny vokatra ary azo lazaina fa mahavelom-panantenana ny hetsika ataon’ireo mpitandro filaminana. Raha tsy hiresaka afa-tsy iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny, izay isan’ireo faritra mena midorehitra amin’ny resaka tsy fandriampahalemana tato ho ato izay, dia tsy mitsahatra ny manao fisafoana sy manisy olombelona eny an-toerana ny polisy. Nahitam-bokany izany satria, vao tsy ela akory fa ny faran’ny herinandro lasa teo dia jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana iray indray no sarona teny an-toerana. Araka ny fantatra dia vao nanafika tokatrano iray teny an-toerana ingahirainy ary nahazoany vola aman’hetsiny sy finday ny asa ratsy nataony. Tsy niandry ela anefa dia izao nivaly izao ny asa ratsiny ka io voasambotry ny polisy io ny lehilahy. Ankoatra ity teny Anosibe ity dia mpanendaka roa lahy ihany koa no voasambotry ny polisy teny amin’iny faritra Tanjombato iny. Mbola tratra tany amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana izy fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny, hoy ny vaovao, toy ny antsy sy zava-maranitra hafa ary fitaovana fampiasa hihinanana zava-mahadomelina. Torak’izay ihany koa ny teny amin’ny faritra Ankazomanga, izay tsy zoviana amin’ny maro fa mbola ao anatin’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriampahalemana ihany. Teny an-toerana dia miandahy miambavy mihitsy ireo mpanendaka ary ny tena mampihoro-koditra dia saika mbola tsy ampy taona izy ireo. Ny faran’ny herinandro teo dia tovolahy miisa efatra sy tovovavy iray no voasambotry ny polisy teo am-panendahana olona. Nahazoan’izy ireo vola roa hetsy ariary, finday ary anton-taratasy maromaro moa ilay lasibatra. Voalazan’ny polisy fa 17 taona ny zokiny indrindra tamin’ireto mpanendaka miandahy miambavy ireto ary 14 taona ny zandriny indrindra. Mitovy amin’izay ihany ny teny Avaradrano, lehilahy iray no tra-tehaka teo am-panendahana olona teo amin’ny toeram-piantsonan’ny taxibe teo Sabotsy Namehana. Efa samy nentina nihazo ny biraon’ny polisy misahana ny raharaha daholo moa ireto voasambotra ireto ary hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fakàna am-bavany azy ireo. Ireo fitaovana nangalarin’izy ireo kosa dia efa samy naverina tamin’ny tompony.
m.L



