- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe : « Grossiste » voatafika, olona iray voatifitra

Anosibe : « Grossiste » voatafika, olona iray voatifitra

Manodidina ny amin’ny fito ora latsaka no nitranga ny fanafihan-jiolahy etsy Namontana-Anosibe, ny harivan’ny talata teo. Telo lahy izay nitam-basy no tompon’antoka. Teo am-panidiana tsena ny tompon’ilay toeram-pivarotana no niditra tampoka teo ireo olon-dratsy. Olon-dratsy izay tsy nisalasala nampiasa ny basy teny amin’izy ireo. Entiny handrahonana ny mpivarotra dia notifiriny avy hatrany ny mpanjifa iray izay mbola tao anatin’ny trano tamin’io fotoana io. Voatifitra teo amin’ny lohany, nifanandrify ny masony, raha araka ny vaovao azonay. Toran-kovitra ny rehetra raha nahita ny zava-niseho tao anatin’ny fotoana fohy. Ny hany azo natao dia ny nanaraka ny baikon’ireo olon-dratsy. Lasa ny vola tao anatin’ny fasiana azy. Mitentina telo tapitrisa ariary izany raha araka ny fanampim-baovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Tsy izay ihany fa mbola lasa koa ny finday izay an’ny olona rehetra tao. Io indray dia efa fanaon’ny jiolahy raha vao mandeha ny fanafihana. Amin’izay mantsy tsy misy afaka ny mampandre ny mpitandro ny filaminana intsony rehefa azo ny findain’ny olona. Afaka manao izay danin’ny kibony araka izany izy ireo rehefa avy eo. Amin’izao vanin’andro iainana izay hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana izao dia efa vahaolana tsara koa ny teknolojia. Any ivelany, ny mpivarotra sy ny toerana be olona dia efa manana ireny « alarme » izay mifandray mivantana amin’ny mpitandro ny filaminana ireny rehefa potserina. Bokotra iray fotsiny izany dia efa tokony ho tonga ny mpanavotra. Eto amintsika dia ireo orinasa tsy miankina no manaparitaka an’izany ary tsy mifandray mivantana any amin’ny mpitandro ny filaminana fa kosa any amin’ireo orinasa mpiambina. Izy ireo indray avy eo no mampandre ny mpitandro ny filaminana ary mitondra izany raha ilaina. Handoavana hofany isam-bolana izany bokotra fanairana izany ary izay no mbola tsy maha-tapakevitra tsara ny mpivarotra matetika. Tsy maintsy hiroso amin’ny teknolojia ihany anefa amin’ny fitadiavam-bahaolana, satria tsy ary ho fantatra avokoa izay misy ny jiolahy ary indrindra koa efa iaraha-mahalala ny fialan’ny mpitandro ny filaminana bala avy amin’ny valin-teny mahazatra izay tsy voatery ho diso, toy ny hoe : tsy ampy isa sy tsy ampy fitaovana…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici