- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Kamiao nifatratra teny amina trano fivarotana, olona roa maty

Anosibe : Kamiao nifatratra teny amina trano fivarotana, olona roa maty

Nandriaka ny rà. Zazalahy kely iray manodidina ny 10 taona eo ho eo, niaraka tamina renim-pianakaviana iray, sahabo ho 45 taona no namoy ny ainy, omaly, tetsy Anosibe, tsy lavitry ny fivarotam-panafody iray teny an-toerana. Izany dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily fiarabe iray, izay namantana tany amina tsena fivarotana teny an-toerana.

Nitrangan-dozam-pifamoivoizana mahatsiravina tokoa omaly tetsy Anosibe, tsy lavitry ny « rond point » mivily mankany Namontana. Fiarabe feno entana no namarana ny làlany teny amina tsenakely iray fivarotana enta-madinika teny an-toerana, rehefa avy nirimorimo avy any andrefana . Vokany olona telo, araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny polisy no fantatra fa naratra mafy. Ny roa tamin’izy ireo no indrisy fa namoy ny ainy, noho ny fahavoazana nahazo azy, nony tonga tany amin’ny hopitaly. Ny iray kosa mbola manaraka fitsaboana amin’izao.

Tsy fantatra mazava hatreto na nisy olana ara-teknika na tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara nentiny, fa dia izao nahavanon-doza izao. Heverin’ny rehetra, fa nanantena ny làlana malalaka ny mpamily ka somary nandeha mafy. Kanjo, angamba tsy voahodina intsony ny familiana ary io niantefa teny amina tranon’olona io. Potika tanteraka mihitsy moa ity farany, noho ny hamafin’ny dona. Torak’izay ihany koa ny lohan’ilay fiarabe. Feo nandeha teny an-toerana ihany koa, araka ny fitantaran’ireo olona sasany sendra nahita ny loza ny hoe, niezaka niala mpitondra môtô, izay nianjera teo amin’io faritra io ilay mpamily ka nivily tampoka ary dia nifatratra tamin’ilay tsena.

Efa nandray an-tànana ny raharaha sy nanao ny fanadihadiana hahafantarana marina izay tena zava-niseho aloha ireo mpitandro filaminana, izay tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza. Ary mandra-piandry izany, dia nentina nofotorana ny mpamilin’ilay kamiao, ary nogiazana ny fiara nentiny. Nandritra ity fiverenena tamin’ny fihibohana ity tokoa, dia tsapa ho nihanitombo ny lozam-pifamoivoizana, indrindra fa ny tapak’andro hariva. Ny antony dia tsotra : miha malalaka tokoa ny làlana ka alaim-panahy ireo mpamily sasantsany handeha mafy, na io fiara na io môtô. Mila mailo araka izany !

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici