- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe-Mandrangobato : Tokantrano roa nasesin’ny jiolahy notafihina

Anosibe-Mandrangobato : Tokantrano roa nasesin’ny jiolahy notafihina

Tsy mandry mihitsy ny tany eny amin’ny faritra Anosibe noho ny asan-jiolahy isan-karazany. Tokantrano roa indray no nasesin’ny jiolahy mirongo sabatra sy antsy lavalela notafihana ny alin’ny Alakamisy hifoha Zoma teo, tao Anosibe-Mandrangobato. Araka ny  loharanom-baovao, tsy fantatra marina ny isan’ireo olon-dratsy fa avy hatrany izy ireo dia niditra tao amin’ny tokantrano voalohany. Norahonana tamin’ny zava-maranitra ny tompon-trano sady norobaina izay zava-tsarobidy tojo azy ireo. Dia toy izany hatrany no natao tao amin’ny tokantrano faharoa, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia voalaza fa olona telo no naratra. Tsy voalaza kosa ny totalim-bidin’nyzavatra very. Nilaza ho niantso vonjy ihany ireo voatafika saingy tsy nisy vokany izany. Nambaran’ny lehiben’ny fokontany anefa fa ny maraina vao nisy nitaraina tao aminy mikasika ity raharaha ity. Nilaza ny tenany fa efa misy ny fepetra noraisina mba hiadiana amin’izao tsy fandriampahalemana izao ary efa mihatra izany ankehitriny. Ny zava-misy anefa dia toa tsy hita hatreto izay tena fiantraikan’izany, satria mitohy hatrany ny asan-jiolahy eny an-toerana. Nilaza ity lehiben’ny fokontany ity fa tato anatin’ny herinandro fotsiny dia  fanafihana roa no nitranga  tao amin’ity faritra ity. Mampanontany tena ihany satria mba misy paositry ny polisy ihany eny an-toerana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici