- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe Mandrangombato : Trano 24 may kila noho ny adina mpivady

Anosibe Mandrangombato : Trano 24 may kila noho ny adina mpivady

Trano 24 tafo no may teny Mandrangobato Anosibe  ny alin’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny misasak’alina. Olona 110 no traboina izay nahitana fianakaviana 29, raha ny vaovao teny an-toerana. Araka ny fanazavan’ny olona teny Mandrangombato, vokatry ny adin’ny mpivady io alahady alina io no nitarika ny fahamaizana. « Nisy fifamaliana tao an-trano, tsy fantatra mazava izay nitranga fa niantso vonjy izy ireo  saingy tsy nisy niraharaha ka izao niafara tamin’ny fiitaran’ny afo tamin’ny tokantrano manodidina izao ny zava-nitranga », hoy ny filazan’ny olona teny an-toerana. Nanamafy ny mponina sasany fa miady matetika ireo mpivady ireo, miverimberina ihany koa ny fiantsoana vonjy, antony tsy nampiraika ny manodidina tamin’ity indray mitoraka ity. Efa alim-be ihany koa ny nisehoan’ny adin’ny mpivady ka tsy nahataitra ny olona. Ny lelafobe efa niredareda no nanaitra ny hafa, ka teo vao samy nikoropaka niantso vonjy. Niantso ny mpamonjy voina avy hatrany ny mponina. Somary teritery ny lalana mamonjy eny an-toerana ka sahirana ny mpamono afo. Naharitra adim-pamataranandro iray mahery ny asa famonoana afo vao voafehy izany. Nifandrimbona ny mpamonjy voina sy ny fokonolona. Samy nanavo-tena sy nanavotra ny fananany ny rehetra. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fiarovana sy ny fanadihadiana. Tsy nisy noraisiana ny tranon’ireo mpivady niatombohan’ny afo. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana azy ireo sy ny anton’ny afo amin’izao fotoa na izao. Voafehin’ny mpamonjy voina ihany izany. Tsy nisy ny aina nafoy, nisy ihany ny naratra saingy tsy nisy natahorana. Omaly maraina no tonga nijery ny niharam-boina ny manampahefana. Nisy fandraisana andraikitry ny fokontany ka nandefa ny mombamomba ireo traboina any amin’ny BNGRC ny tompon’andraikitra, ahafahana mijery izay hanampiana azy ireo. Ny tanin’ny kaominina eny Anosizato no hametrahana trano lay aloha andraisana ireo traboina raha ny vaovao farany teny Mandrangombato.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici