- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnosibe : Miparitaka eny an-tsena ny henan’omby  halatra

Anosibe : Miparitaka eny an-tsena ny henan’omby  halatra

Ramatoa mpivarokena iray monina eo Anosibe no nosamborin’ny zandary rehefa nahatratrarana hena avy tamina omby halatra. Araka ny loharanom-baovao dia omby very teny Ampitatafika io hita io. Ny alin’ny Talata hifoha Alarobia 20 May Ampirtsa 2024 dia nisy halatr’omby an-tsokosoko tao am-bala tao amin’ny tananan’Ampahimanga fokontany Soavimbahoaka Kaominina ambanivohitra Ampitatafika distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Ny maraina efa tamin’ny 08 ora maraina vao tsikaritr’Atoa vao tsikaritry ny tompn’omby fa vaky ny valan’ombiny  ary  very tao ny ombiny roa. Rehefa naharay ny antso avy amin’ny chef fotontany ny zandary dia nidina teny amin”ny toerana voalaza. Hita tokoa fa nisy tokoa ilay halatra ary jiolahy mena  mitondra fotsy ambany fotsy rambo sy jaolahy menamavo fotsy ambany fotsy rambo ny ahafantrana ireo omby very ireo.  Rehefa tonga teny an-toerana anefa ny zandary dia nahazo loharanom-baovao tamin’olona tsara sitra-po fa misy olona tsikariny mety ho nahavita an’io halatra io. Natao ny fanadihadiana rehetra ka tratra tao amin’ ilay Ramatoa 40 taona, mpivarokena, monina ao Anossibe-tsena voalaza etsy ambony Tsena Antana ny ila-fen’omby iray tamin’ireo omby roa very ireo. Nosamborina ary notanana natao andrimaso ao amin’ny Tobim-paritry ny zandarimaria nasionaly Fenoarivo ity Ramatoa izay azo raisina ho mpivify halatra ary mpanaparitaka omby halatréa eny Anosibe. Voatana eny amin’ny zandary eny Fenoarivo moa izy ary mandeha ankehitrinybny  fanadihadiana mikasika ireo namany nanao ny halatra ary ho atolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici