Ramatoa mpivarokena iray monina eo Anosibe no nosamborin’ny zandary rehefa nahatratrarana hena avy tamina omby halatra. Araka ny loharanom-baovao dia omby very teny Ampitatafika io hita io. Ny alin’ny Talata hifoha Alarobia 20 May Ampirtsa 2024 dia nisy halatr’omby an-tsokosoko tao am-bala tao amin’ny tananan’Ampahimanga fokontany Soavimbahoaka Kaominina ambanivohitra Ampitatafika distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Ny maraina efa tamin’ny 08 ora maraina vao tsikaritr’Atoa vao tsikaritry ny tompn’omby fa vaky ny valan’ombiny ary very tao ny ombiny roa. Rehefa naharay ny antso avy amin’ny chef fotontany ny zandary dia nidina teny amin”ny toerana voalaza. Hita tokoa fa nisy tokoa ilay halatra ary jiolahy mena mitondra fotsy ambany fotsy rambo sy jaolahy menamavo fotsy ambany fotsy rambo ny ahafantrana ireo omby very ireo. Rehefa tonga teny an-toerana anefa ny zandary dia nahazo loharanom-baovao tamin’olona tsara sitra-po fa misy olona tsikariny mety ho nahavita an’io halatra io. Natao ny fanadihadiana rehetra ka tratra tao amin’ ilay Ramatoa 40 taona, mpivarokena, monina ao Anossibe-tsena voalaza etsy ambony Tsena Antana ny ila-fen’omby iray tamin’ireo omby roa very ireo. Nosamborina ary notanana natao andrimaso ao amin’ny Tobim-paritry ny zandarimaria nasionaly Fenoarivo ity Ramatoa izay azo raisina ho mpivify halatra ary mpanaparitaka omby halatréa eny Anosibe. Voatana eny amin’ny zandary eny Fenoarivo moa izy ary mandeha ankehitrinybny fanadihadiana mikasika ireo namany nanao ny halatra ary ho atolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana.
T.M.