Teo am-panendahana olona mihitsy ity mpanendaka ity no nifanehatra tamin’ireo polisy manao fisafoana. Noraisim-potsiny.
Faritra mbola ao anatin’ny mena mivaivay raha amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana raha iny Anosibe sy ny manodidina. Porofon’izany rahateo ny fanafihana antoandro be nananahary nitranga afak’omaly, izay nahafatesana mpandraharaha iray. Fa talohan’io fotoana io, mpanendaka iray niaraka tamin’ny antsy lava lela, mangirana sy maranitra izay tsy izy no tra-tehaky ny polisy mpanao fisafoana ny harivan’ny voalohan’ny herinandro teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any. Fantatra araka ny fampitam-baovao azo hatrany fa teo am-pananterahana ny asa ratsiny ranamana no voapaingotra. Mpandalo handeha hamikiviky hody hamonjy ny tokantranony no notsenain-dranamana tamin’ity antsy lava lela ary norahonany hamoaka ny rehetra tany aminy. Soa ihany, hoy ny vaovao, fa tsy lavitra teo ny polisy ary raikitra ny fifanenjehana. Azo soa aman-tsara ingahy mpanendaka ary mbola teny aminy ihany koa ilay fitaovam-piadiana. Efa tsy zovian’ny sampan-draharahan’ny polisy ingahirainy io, raha ny voalaza hatrany, satria dia efa maro dia maro tokoa ny fitarainan’ny olona mahakasika azy sy ny asa ratsiny. Izany hoe efa betsaka sy tsy tambo isaina intsony ireo lasibatr’ingahy teny an-toerana.
Nentina nihazo ny biraon’ny polisy avy hatrany moa ny lehilahy ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. Natolotra ny Fampanoavana ny talata teo ary nadoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna.
Fa raha hiverenena kely ny mahakasika ilay fanafihana nitranga ny alarobia teo, dia efa mandeha ny hazalambo atao amin’ilay mpanafika. Izy, izay azo sary tamin’ny alalan’ny « camera de surveillance », ary voalaza fa toa hoe misy mihitsy ny « prime » ho an’izay manam-baovao mahakasika azy.
m.L




