- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Nanaovan'ny olona bemidina ilay voalaza ho mpisoloky

Anosibe : Nanaovan’ny olona bemidina ilay voalaza ho mpisoloky

Tezitra ireo nilaza ho voasolokin’ny lehilahy iray monina etsy Anosibe. Nifamotoana izy ireo omaly ary nanao bemidina teny an-tranon’ilay olona. Tanora maherin’ny roapolo no indray nitontona teny ary nasaina nivoaka tao an-tranony ilay voarohirohy ho mpisoloky. Nentin’ireo olona tezitra tanteraka teny amin’ny fokontany nony avy eo. Io rafitra io indray no nanapa-kevitra ny nitondra ireo voakasika hoe eny anivon’ny polisy miandraikitra ny boriborintany fahadimy. Nosokafana ny fanadihadiana nanomboka teo. Raha ny fanazavan’ireo, olona marobe izay nisy ny avy eny 67ha, ny avy eny Ankeniheny sy ny kartie hafa koa, dia nangalan’ilay lehilahy vola 50.000 ka hatramin’ny 80.000 ariary avy ireo olona. Nampanantenainy fa afaka mampiditra olona hiasa eo anivon’ny orinasa iray izy. Tsy tanteraka anefa izany ary ny fahafantaran’ireo olona ny lehilahy dia olona efa voaroaka teo anivon’ilay orinasa nampanantenainy. Tanora izay tsy an’asa avokoa ny nitaraina sy nitory momba ilay asa fisolokiana. Ilay lehilahy kosa indray dia mbola nandà hatrany ny fiampangana azy ary nilaza fa tsy misy taratasy manamarina izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici