Tsy fitandremana sa loza efa ho avy. Ramatoa iray no naratra mafy rahefa nofahon’ny taksibe ny Alakamisy 19 jolay. Potika tanteraka ny ila-tarehiny havia, kiaka ihany koa ny ilantsandriny ka voatery nalefa haingana teny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy-Andrianavalona etsy Ampefiloha. Tamin’ny 8 ora sy sasany no nitranga ny loza. Avy aty amin’ny ilany ankavian-dalana ity Ramatoa ity no handeha hiampita ery amin’ny ankavanan-dalana no nisy taksibe nirimorimo tampoka ary nifahoaka azy. Vokany, nipitika teny amin’ny ilany havia ilay Ramatoa ka nahantonga izany faharatrana izany. Soa fa tafajanonana avy hatrany ny fiara tao aorianan’ilay taksibe nandona ka tsy dia lehibe loatra ny fahavoazana.
T.M.