- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Renim-pianakaviana naolan’ny jiolahy

Anosibe : Renim-pianakaviana naolan’ny jiolahy

Tokantrano iray teny amin’iny faritra Anosibe iny, no lasibatry ny jiolahy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’ny lasan’ireo olon-dratsy ny vola sy ny entana rehetra tao an-trano, fa mbola niharan’ny filan-dratsin’ireo mpanafika ihany koa ny renim-pianakaviana iray. Nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano iray ity ireo jiolahy nirongo fitaovam-piadiana. Zaza amam-behivavy avokoa no tao an-trano, tamin’io fotoana io. Avy hatrany dia ny vola no notakian’ireo olon-dratsy. Tsy afa-nanoatra ihany koa ireo voatafika, noho ny tahotra, hany ka nanome tsy fidiny izay notadiavan’ireto olon-dratsy. Tsy ampy ireto jiolahy anefa izany fa mbola naolany ilay vehivavy tompon-trano. Nitsoaka avy hatrany ireto farany vao azony  nilainy ary vita ny nataony. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireto voatafika ary efa nampandrenesina ihany koa ny mpitandro filaminana. Fantatra moa fa, efa nanokatra ny fanadihadiana ireto farany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici