- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosikely-Ambatoboeny : Jamà roa maty voatifitry ny dahalo

Anosikely-Ambatoboeny : Jamà roa maty voatifitry ny dahalo

Tena faritra anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana ny any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny. Saika andrenesana vonoan’olona sy asan-jiolahy hatrany any amin’io disitrika io. Jamà roalahy indray mantsy no maty voatifitry ny jiolahy. Tao amin’ny fokontany Anosikely, kaominina sy disitrikan’Ambatoboeny, ny alakamisy heriny lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina no nisehoan’izany. Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, dia dahalo miisa 56 lahy nitondra basim-borina sy zava-maranitra no nangalatra omby 600 tao amin’ny fokontany Anosikely. Nisy avy hatrany fanarahan-dia nataon’ny vatan-dehilahy teo an-tanàna niaraka amin’ireo fokonolona manodidina ny fokontany voatafika. Tamina tanàna kely iray tsy lavitra ity toerana nisehoan’ny fandrobana no nifankatratra ny roa tonta. Teo no nisian’ny fifandonana ary naharitra 15 minitra izany. Tsy naharesy tosika ny dahalo ireo fokonolona, ka vaky nandositra no sady nampandre antso an-telefaonina ny Jamà mpiambina tanàna teo amin’ny manodidina ny toerana voatafika. Nisy nalaky ny sakana nataon’ireo Jamà dimy lahy sy ny fokonolona, tany anaty ala izay lalana tokana ihany. Vao nahatazana azy ireo ny malaso dia nitsoaka, ka raikitra ny fifanjevoana sy fifampitifirana, ary naharitra adiny iray izany. Mbola vaky lefa ihany ireo fokonolona sy ny Jamà telolahy, ka teo no nahafaty voatifitra ilay Jamà roalahy, satria izy roa irery no nifamaly tifitra tamin’ireo jiolahy. Nidina tany an-toerana malaky kosa ny mpitandro ny filaminana avy ao Ambatoboeny nanao ny fizahana sy ny fanadihadiana. Mbola mitohy ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo mpanafika hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici