- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosimpatrana : Fanamboarana basy, olona efatra voasambotry ny pôlisy

Anosimpatrana : Fanamboarana basy, olona efatra voasambotry ny pôlisy

Orinasa kely iray fanamboarana basy mihitsy ity ravan’ny mpitandro filaminana ity, ny 11 Aogositra lasa teo. Vokany noraisim-potsiny tamin’izany ny lehilahy atidoha nikotrika ity fanamboarana basy ary ihany koa mpamatsy ireo jiolahy rain-dahiny, niaraka tamin’ny vadiny sy ny mpanampy azy anankiroa. Araka ny fanazavana azo, nandritra ny tafatafa tamin’ny mpanao gazety natao tetsy Tsaralalàna, dia niainga avy tamin’ny fahazoana olona roa, saika hivarotra basy ity raharaha ity. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nanondroany ny tena atidoha tao ambadik’ity fanamboarana basy ity, ka nahatrarana an’i Sely. Tratra niaraka tamin’izany ihany koa ny mpanampiny iray ary ireo fitaovana fanamboarana basy. Raha atotaly dia basy poleta efatra vita gasy no sarona tao amin’ity orinasa ity, niaraka tamin’ny basy lava iray Mas 36, azon’izy ireo tamin’ireny korontana tamin’ny 2009 ireny. Tamin’io fotoana io ihany koa no mbola nahatrarana bala an-jatony . Marihina fa vita gasy avokoa ireto fitaovam-piadiana ireto, ankoatr’ilay basy lava. Nilaza ity rangahy mpanamboatra basy ity, fa amidiny eo amin’ny dimy hetsy ariary ka hatramin’ny iray tapitrisa ariary ireo basy poleta vitany ireo. Ary olona avy amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo no tena mpanjifany. Mitovy tsy misy valaka amin’ny basy tena izy mihitsy ireto basy vita gasy ireto. Ireto efatra tratra ireto kosa anefa, raha ny fanazavan’ireo mpitandro filaminana hatrany, dia mbola tsy fantatra na tena mipoaka sy mahafaty na tsia. Ny sabotsy teo izy ireo no nentina nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana, ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici