Nandritry ny fisafoana nataon’ireto polisy avy ao amin’ny sampana miady amin’ny fanafihan-jiolahy mahery vaika na ny SAG, teny amin’iny faritra Anosipatrana iny no nahasamborana azy efa-dahy ireto. Voalaza fa mbola tratra teny aminy ireo fitaovana fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsiny.
Araka ny loharanom-baovao azo dia toa hoe vao avy nahavita ny asa ratsiny mihitsy ry zalahy ireto no sendra ireto mpanao fisafoana. Trano iray teny amin’iny faritra iny no fantatra fa avy norobain’izy ireo tamin’io fotoana io. Vantany vao nahita ireo mpitandro filaminana anefa izy ireo somary kaodikaody avy hatrany, nilonjehitra ireto entana isan-karazany. Toy ireny olona hifindra trano ireny izy efa-dahy saingy tsy manana izay mihitsy anefa. Nosakananan’ireo pôlisy avy hatrany izy ireo ary nanontaniana ireo entana novesaran’izy ireo. Nosavaina teo no eo ihany moa izany entana izany ka nahitàna entana sy firavaka lafovidy, ankoatry ny lelavola mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary teo ho eo. Ankilan’izay kosa, nisy ny fitaovana isan-karazany sy zava-maranitra. Nosamborina ary notanana natao andrimaso avy hatrany ry zalahy ireto ahafantarana ny tena marina. Voalaza fa tamin’izany fa tena jiolahy, isan’ny rain-dahiny amin’ny famakiana trano eny an-toerana ry zalahy ireto. Efa naverina tamin’ny tompon’ny trano vaky avokoa moa ireo entana nangalarin’izy ireo. Izy efa-dahy kosa natolotra ny Fampanoavana omaly ary heverina fa nadoboka am-ponja avy hatrany, raha tsy nisy ny fiovàna.
Tao anatin’ny herinandro maromaro izay dia nirongatra izay tsy izy ny resaka tsy fandriampahalemana teny amin’iny faritra Anosipatrana sy ny manodidina iny. Tsy vitsy amin’ireo mponina no mikaikaika ny amin’ny nafitsok’ireo olon-dratsy mitam-piadiana, izay tsy menatra ny mamono sy manolana izay sendra azy. Toy ny nahazo ireo andiana tanora avy nanao asa soa voatafika ny alin’ny krismasy lasa teo. Misimisia ny fisafoana toa izao, hoy ny mponina, mba hifanenan’ireo jiolahy amin’ny « mpaka kitay » tsara …
m.L