Jiolahy rain-dahiny iray eny amin’iny faritra Anosipatrana iny no voasambotry ny fokonolona, raha saika hanatanteraka ny asa ratsiny, ny alakamisy lasa teo. Araka ny fanazavana azo, dia isan’ireo malaza ratsy amin’ny fanendahana sy ny famakiana trano eny amin’iny faritra iny ingahirainy.
Raha ny zava-nitranga : nisy namaky ny tokantrano iray teny amin’iny faritra Anosipatrana Atsinanana iny, omaly hariva tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any. Araka ny fanazavana azo, dia tsy nisy olona tao amin’ilay tokantrano tamin’io fotoana ary nanararaotra ilay olon-dratsy, izay niaraka tamin’ny namany hafa. Nisy nahatsikaritra anefa teo amin’ny manodidina ary nampilaza avy hatrany ny tompon-trano. Voalaza ihany koa, fa toa fantapantatra ihany ireo olon-dratsy, noho ireto farany efa malaza ratsy amin’ny fanendahana sy vaky trano eny an-toerana. Araka izany, dia nampandre ny vaomieran’ny fandriampahalemana teny an-toerana ireo lasibatra ary nisambotra avy hatrany ireo nahiahiana. Tratra tao an-tranon’ny iray tamin’izy ireo rahateo moa ny entana very. Efa romotra tamin’izany ny fokonolona teo nony ny tra-tehaka ity farany. Izy ireo rahateo efa leo tanteraka amin’ny resaka tsy fandriampahelamana eny an-toerana. Efa saika hirohotra hanao fitsaram-bahoaka izy ireo no tonga ireo pôlisy izay nampandrenesina mahakasika ity tranga ity. Marihana fa ny harivan’io ihany, araka ny fanazavana azo, dia nisy namono ny iray tamin’ireo tompon-trano, izay azo heverina fa mety ho naman’ireo mpangalatra nanao valifaty. Efa nametraka fitoriana teny amin’ny pôlisy ihany koa moa ireo niharam-boina ary efa mandeha ny fanadihadiana. Ilay lehilahy tratra kosa dia nentina nofotorana avy hatrany. Eo am-pikarohana ireo namany hafa kosa ny mpitandro filaminana amin’izao. Ireo entana nalainy kosa dia efa nomena ny tompony avokoa.
m.L