- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAnosipatrana – Toamasina : Olona dimy maty an-dalana tao anatin’ny herinandro

Anosipatrana – Toamasina : Olona dimy maty an-dalana tao anatin’ny herinandro

Tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny ary mbola nitohy ny omaly alatsianiny, olona dimy no fantatra fa namoy ny ainy hita faty teny amoron-dalana teny Anosipatrana sy tany Toamasina. Ny teny Anosipatrana, voalazan’ny vaovao fa ny tolakandron’ny sabotsy no maty ilay olona. Ny maraina mbola nisy nahita velona izy. Lehilahy tsy dia mbola nahazo taona loatra.  Afaka fotoana fohy anefa, vatana efa tsy nisy aina intsony no hita teo amin’ny toerana. Ireny olona tsy manana toeram-ponenana ireny ilay izy.

Tany Toamasina indray, nanomboka ny herinandro nivalona iny, dia tranga na faty olona mitsirara an-dalana etsy sy eroa no hita saika isan’andro. Tsy misy fanazavana mazava hatreto anefa avy amin’ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana mikasika izany na aretina na fahantrana no mahatonga izany.

Taorian’ilay ramatoa mpivarotra karakara na fatapera maty tao Tanamborizano manakaiky ny sinimben-drano eto Toamasina, dia nahitana olona maty amoron-dalana roa, lahy sy vavy, be izao koa teny Ankirihiry ny sabotsy sy ny alahady teo, vao omaly alatsinainy ihany koa dia lehilahy iray no maty nitsitra amoron-dalana tao Mangarivotra manakaiky ny tetezana. Ny hitovian’ireto olona maty ireto aloha dia saika efa nahazo taona avokoa, mahia sy hatsatra ary tsy nahitana diana famonoana na vono ; saingy tsy fantatra mazava kosa ny tena antony mahatonga ny fahafatesany noho ny fizahan’ny mpitsabo lazaina fa tsiambaratelo, na vokatry ny hanoanana noho ny fahantrany, na noho ny aretina mahazo azy ireo.

Lasa miteraka ahiahy isan’andro ho an’ny mponina izany izao, ny resa-be ihany koa mandeha ka miteraka tahotra ho an’ny rehetra mandalo amin’ireo toerana nitrangan’ny faty olona ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici