- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Tompona orinasa mivarotra tany, nosamborin’ny pôlisy

Anosipatrana : Tompona orinasa mivarotra tany, nosamborin’ny pôlisy

Io indray ! Tompon’orinasa iray misehatra amin’ny fivarotana tany, eny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny no nosamborin’ny pôlisy ekônomika, ny alarobia lasa teo, teny Anosipatrana. Ity lehilahy 47 taona ity dia voarohirohy amin’ny fisolokiana volabe sy fivadiham-pitokisana. Andro vitsivitsy talohan’io mantsy, dia nisy olona nametraka fitarainana tao amin’ity sampan’ny pôlisy ity fa nisy nisoloky tamin’ny resaka tany. Roa taona talohan’io fitoriana io no nividy tany amin’ity orinasan’ity ranamana ity ilay olona. An-tapitrisany maro no vidin’izany tany izany ary efa nisy vola maromaro nomena natao vodiondrim-barotra. « Nifanarahana tamin’izany, fa ity orinasa ity no mikarakara ny antontan-taratasy rehetra » hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena. Hatramin’izao anefa, tsy mbola nahitana mangirana ihany ny mahakasika ilay tany novidiana. « Arirariran’ilay orinasa foana ity mpitory fa hoe ny “domaine” no mahataraiky ilay fanaovana ny taratasin’ilay tany. Rehefa nojerena anefa ny tany, dia tsy nisy fikarakarana antontan-taratasy mahakasika ity tany voalaza fa novidiny ity akory ka teo izy no nanapa-kevitra ny hitory » hoy hatrany ny vaovao. Ary tena fisolokiana niniana natao ilay izy, satria dia tsy sasatry ny mitsoaka ilay rangahy rehefa tonga teny amin’ny orinasany ireo pôlisy nanao fanadihadiana. Napetraka ny vela-pandrika ka tsy afaka nankaiza intsony ity mpisoloky, fa dia io tratra io. « Niaiky ny heloka vitany izy ary fantatra fa tsy io olona irery ihany no nanaovany izany, fa efa maromaro » hoy hatrany ny loharanom-baovao. Omaly no natolotra ny fampanoavana ity mpisoloky ity .

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici