
Ireny kiosque, fivarotana fahana finday ireny no kila hotohoto, tsy nisy azo noraisina intsony. Tovolahy iray ihany koa no fantatra fa naratra, may teo amin’ny faritry ny tanany ary fiara sy motô iray no saika nirehitra. Izany no vokatry ny fipoahana narahana famaizanan’ny foto-drafitr’asan’ny Jirama omaly, tetsy Anosisoa, Ambohimanarina.
« Raha hoe ny alina aloha no nitranga iny fipoahana iny dia angamba loza mahatsiravina no nitranga. Maro dia maro mantsy ireo fiara miantsona sy matory eo amin’io toerana io rehefa hariva » hoy ny fitantaran’Atoa Naina, tompon’ny fiara saika may teo amin’io toerana nitrangan’ny fipoahana io. Omaly tokony ho tamin’ny fito ora maraina tany ho any tokoa, nitrangana fipoahana mafy dia mafy ny « transformateur »n’i Jirama, teo Anosisoa. Nihantona teo amin’ny andrin-jiro iray, tsy lavitry ny biraon’ny kaominina, misy ny boriborintany fahenina. « Nitselatselatra tsy nisy toa izany avy eo nirefotra, ary namoaka lelafo, nahazo ireo zavatra teo ambanin’ilay poteau » hoy ny fitantarany. Tamin’io fotoana io, handeha hamonjy ny birao fiasany ao amin’ny kaominina ity olona saika niharan-doza ity. Vantany vao avy nametraka ny fiarany teo akaikin’izany andrin-jiro izany izy no nitranga ny loza. Avotrany tao anatin’ny fotoana ny fananany. « Nisy môtô, nipetraka nifanila tamin’ny fiarako teo, izay ana mpiasa ato ihany koa. Efa niharan’ny fahamaizana tamin’ilay afo nilatsaka avy any ambony teo ny ampahany tamin’ilay fitaovana. Niezaka namonjy izany ny tompony, ary izay no antony nahamay ny tanany » hoy hatrany izy, nanohy ny fitantarany.
May kila tsy nisy azo noraisina moa ilay trano kely fivarotana nifanakaiky tamin’ilay pôteau. Soa ihany, tsy mbola nisy olona tao anatiny.
Vetivety ihany moa dia voafehy ny afo. Tonga ara-potoana ary haingana dia haingana ireo mpamonjy voina, niezaka namono ny afo. Torak’izay ihany koa ny teo anivon’ny Jirama. Marihana fa « transformateur » fanampiny, izay natao hanampy tosika ilay iray efa eo teo an-toerana ity nirehitra ity. « Vao omaly (ndlr ny alatsinainy) no nanamboatra izany ry zareo, kanefa dia io androany io dia efa nipoaka » hoy ny filazan’ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny boriborintany fahenina. Tapaka tao anatin’ny ora maromaro moa ny herinaratra teny an-toerana, saingy efa niverina tamin’ny laoniny kosa, omaly tolakandro ihany.
m.L