- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversAnosivavaka : Mpangaraom-paosy anaty taxibe, lasa ny 700.000 ariary

Anosivavaka : Mpangaraom-paosy anaty taxibe, lasa ny 700.000 ariary

Efa fomba ratsin’ireo totakely eny amin’ireo fiantsonan’ny fiara mihitsy ilay mody miara-misisika “taxibe” amin’izay olona tiany hatao lasibatra. Omaly dia vehivavy iray no tratran’izy ireo teny amin’iny faritra Anosivavaka Ambohimanarina iny ary nahazoany vola fito hetsy ariary be izao. Soa ihany anefa fa tsy niandry ela ny fandraisana andraikitr’ireo pôlisy.

Raha ny loharanom-baovao azo, tokony ho tamin’ny folo ora maraina teo, teo amin’ny fiantsonan’ny taixibe Anosivavaka, Ambohimanarina. Vehivavy iray tokony ho 41 taona no lasibatry ny mpangaraom-paosy. “Mody miara-miakatra amin’ireo mpandeha ho ao anaty zotra  izy ireo ka mandritra izany no manatanteraka ny asany. Roa lahy izy ireo no miara-misisika ary ataony eo afovoany ny olona kinendriny. Nandritra izany no anatsofohany ny tanany any anaty kitapo izay nahazoan’izy ireo ny vola“. Tamin’io fotoana io dia niala teo amin’ny fiantsonana manaraka izy ireo, izay efa teti-dratsy maty paika ihany koa, rehefa avy mahavita “opération” ary nandeha nifindra haingana tamin’ny fiara hafa, nifanohitra tamin’ny lalan’ilay fiara voalohany teo. Soa ihany anefa fa tsikaritr’ilay ramatoa haingana ny fahabangana tao anaty pôketrany, ary dia niantso  pôlisy teo no ho eo izy. Haingana ihany koa ny fandraisan’ireo farany andraikitra ka noraisim-potsiny tamin’izany ny iray tamin’ireo olon-dratsy, raha voalaza fa tafaporitsaka kosa ilay namany. “Efa nentina natao famotorana any amin’ny birao moa ity voasambotra ity, ary mbola mitohy kosa ny fikarohana ilay namany”, hoy ny fampitam-baovao azo.

 Tena mirongatra izay tsy izy tokoa amin’izao ireo totakely, indrindra fa amin’izao ankatoky ny fety sy bebe olona izao. Mila mailo foana eny an-dalana, indrindra fa rehefa handray fiara fitateram-bahoaka. Ny tsara dia aleo tsy misisika mihitsy fa miandry ny malalaka sy ny milamina tsara. Ny laharan’ireo mpitandro filaminana ihany koa, tokony hatao akaiky foana, hahafahan’ireo farany mandray ny andraikiny ao anatin’ny fotoana haingana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici