Taitra ny olona izay nandalo maraina teo amin’ny alan’akondro tetsy Anosizato Andrefana. Tovovavy iray no hita faty ary nifatotra tànana. Ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany no nahitàna an’izany. Nantsoina ny manam-pahefana mba hijery ifotony ary samy nanao ny tatitra tany amin’ny lehibeny. Tonga koa ny « légiste » na ny dokotera mpijirika razana. Isan’ny ahiana mafy fa voaolana ity adolantsento ity talohan’izay mety ho namonoana azy. Ny valin’ny fitsirihana ny vatany azy no mety hanamarina an’izay. Raha araka ny feo nandeha teny an-toerana dia niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny ity tovovavy ity ny alahady lasa teo. Tsy tafaverina izy raha tsy efa hariva be. Niteraka ny fahatezeran-drainy izany ka nahatonga azy ho bedy be. Io koa anefa no nitarika azy niala tao an-trano indray, azo heverina ho tsy nahazaka ny fibedesana azy ary dia teo no hita farany nialohan’ity izy hita faty ity. Iny alina iny ihany dia efa nikaroka azy ny fianakaviany rehefa nahatsikaritra fa tsy tao an-trano izy. Ny ampitson’iny no hita faty tao anaty fambolena akondro ilay tovovavy ary nifatotra tànana. Vetivety dia nahoraka teo an-toerana ity tranga ity ary nampatahotra ny ray aman-dreny maro sy ny tanora indray. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana ary efa mandeha avokoa ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza. Mampatahotra hatrany ny resaka vonoan’olona. Eto an-drenivohitra dia manana dikany maro izany rehefa mihatra amin’ny zaza amam-behivavy. Ao no milaza fa sorona indray ary ao koa no mahita fa be loatra ny olona ambany loatra ny fanabeazana azony hany ka raha vao mahita vehivavy dia ny hanolana hatrany no ao an-tsainy. Izany rehetra izany no mitambatra raha mitohitohy dia mampiseho fa miaina tsy anaty fandriam-pahalemana ny zaza amam-behivavy eto amintsika. Raha vao tsy mitandrina izy na ny ray aman-dreniny dia mety ho misy maka an-keriny, manolàna, manao sorona sns.
D.R



