- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosizato Andrefana : Fatin-dehilahy nafenina tao ambany fandriana

Anosizato Andrefana : Fatin-dehilahy nafenina tao ambany fandriana

Tamin’ny fomba feno habibiana tokoa no namonoana ity lehilahy iray ity, ny alarobia lasa teo. Norasarasaina tamin’ny antsy ny tenany iray manontolo, ary nafenina tao ambany fandriana tao an-tranony, tetsy Anosizato, ny razana avy eo. Manodidina ny 36 taona eo ity lehilahy ity raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary tonga teny an-toerana. Ny tompon’ny trano nipetrahany no nampandre tany amin’ny zandary ity zava-doza niseho tao amin’ny fokontany Antanana, kaominina Anosizato Andrefana ity. Raha ny fitantarany dia nahatsikaritra zavatra mampiahiahy izy ireo. Nivoha foana mantsy ny trano nisy an’ity mpanofa tranony ity, nanomboka ny talata lasa teo. Rehefa nampaniraka olona hijery izay zava-misy tao ity tompon-trano ity no nivarahontsana. Feno rà ny fandriana ary nanentoento eran’ny efitra ny fofona faty efa lo. Nony tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitra rehetra tao an-toerana dia natao ny fizahana ny efitra, ka tamin’izany no nahitana razana efa somary potika tao ambany fandriana, nirakotra bodofotsy. Mampihoronkoditra tokoa, satria ankevitry ny nampijalijaliana ity tovolahy ity vao notaperina ny ainy. Tsy nisy fitafiana teny an-kodiny afa-tsy “short” kely. Nampisatrohana silipy ihany koa ny lohany. Tetsy andanin’izany dia feno dian’antsy isan-karazany ny vatany iray manontolo : nanomboka teo amin’ny kibony sy ny ila-kibony, ary niafara teny amin’ny tendany, izay heverina fa nitarika ny fahafatesany. Hatreto dia mbola baraingo ho an’ireo mpitandro filaminana ny anton’izao famonoana feno habibiana izao. Tsy nisy afa-tsy môtôn’ity olona ity aloha no fantatra fa very, raha ny fanazavana azo hatrany avy amin’ireo zandary. Mandeha ny feo teny an-toerana fa mety nangalàna taova indray no antony namonoana ity lehilahy ity. Malaza indray mantsy ireo resaka io amin’izao fotoana, saingy mijanona ho siosion-dresaka ihany aloha izany hatreto. Taorian’ny fizahana rehetra nataon’iny dokotera, dia naterina avy hatrany teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny razana. Efa mandeha kosa ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici