- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnosizato : Arahi-maso ara-pitsaràna ilay lehilahy saika hanao anomboletra barazy

Anosizato : Arahi-maso ara-pitsaràna ilay lehilahy saika hanao anomboletra barazy

Fiara tsy mataho-dalàna no saika hanao amboletra sy hampihatra ramatahora tamin’ireo zandary nanao ny asany tetsy Anosizato, ny faran’ny herinandro teo. Nosamborina avy hatrany moa ity farany  ary nentina natao fanadihadiana. Afak’omaly no natolotra ny Fampanoavana ary izao iharan’ny fanaraha-maso akaiky izao  mandra-pahatongan’ny fotoam-pitsaràna azy.

Tsy fanajàna fepetra, fanaovana amboletra sakana ataon’ny mpitandro filaminana ary fanevatevàna ireto farany amin’ny fampiharana ny lalàna. Mety ho ireo no vesatra nanenjehana ity mpamily iray tsy nety nijanona tetsy Anosizato ity. Araka ny fanazavàna azo dia saika hanitsy fotsiny ireo zandary saika hisàva azy izy. Fiara tsy mataho-dalàna moa no nentiny tamin’io fotoana io. Rehefa nolazaina izy ireo fa tsy tokony hivezivezy intsony dia izy ireo indray no avo vava ary tonga hatramin’ny fanevatevàna ireo zandary mpanao barazy mihitsy aza. Marihana fa tatsambo miasa amin’irony sambo mihaja mpitondra mpandeha irony ity lehilahy ity, raha ny fanazavàna azo ary sendra izy migadona an-tanety izao izy saika tsy hiraharaha ny fepetra napetraka izao.

Efa voalazan’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena foana ombieny ombieny fa tsy hanavahana an’iza n’iza ny fepetra efa noraisina, tsy hiparitahan’ity valan’aretina mamoa-doza ity sy ny fampiharana ny lalàna. Teo no ho eo ihany dia nasaina nidina ny fiara ilay rangahy, nosamborina sy voatery natao andrimaso teny anivon’ny biraon’ny zandary tetsy Anosizato. Ary io nampiakarina teny anivon’ny Fampanoavana io afak’omaly. Fanaraha-maso ara-pitsaràna moa no fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana. Fanaraha-maso izay midika ho tsy fisiana fahalalahana ihany satria dia tsy maintsy fantatra amin’ny antsakany sy andavany ny zavatra rehetra atao ary maro ireo fepetra maro tsy maintsy hajaina, toy ny tsy fahazoana mivoaka ny faritra voalazan’ireo mpitsara, tsy fahazoana mihaona amin’ny olona voafaritra, ny tsy maintsy hanaovana fanamariham-pisiana eny anivon’ireo ambaratonga mahefa, sns…

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici