Jiolahy iray indray no sendra ny polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) ny alin’ny talata faha-18 aogositra lasa teo teny amin’ny faritra Anosizato ho any Anosipatrana. Nanao fisafoana toy ny mahazatra ireo mpitandro filaminana no nifanehitra tamina andian’olona voalaza da dimy nitondra antsy lava lela sy sakaosy. Raha vao nahita ireo polisy anefa ireto olona ireto dia rifatra nandositra. Raikitra ny fifanenjehana ka lasa tsy hita ny efatra. Ny iray kosa nitsoraka tany anaty ranaon’Ikopa. Niantso ny zandary amin’ny faritra apitan-drano ireo polisy. Niandry teny amin’ny morony teny. Tsy nety nivoaka avy tao anaty rano tao mihitsy ilay lehilahy. Voatery nanapoaka basy ireo zandary vao niala avy tao ity olona ity. Nosamborina teo no ho eo ary natolotra ny ao amin’ny BC izay manao ny fanadihadiana. Mbola teny aminy ny antsy lava lela iray sy jiro fitsilovana. Ny voavao voahangon’ny mpitandro filaminana no nahalalana fa saika hanao fanafihana teny amin’iny faritra iny ireto bandy ireto. Tamin’ny alakamisy no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ilay tratra. Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany efatra afaka nandositra.
nangonin’i r.s.