- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Lehilahy niakatra « tension », voasoloky sady voaroba

Anosizato : Lehilahy niakatra « tension », voasoloky sady voaroba

Ny ratsy tokoa tsy kely làlana. Ny alarobia lasa teo dia lehilahy iray indray no voasoloky sy voaroba tamin’ny fomba hafa kely, tetsy Anosizato eny amin’ny fasan’ny karàna iny. Voalaza fa niakatra ambony dia ambony ny « tension » an’ity lehilahy ity ka nitarika ho amin’ny fianjerany tampoka. Nony nahita izany ny olona manodidina dia tsy faly nijery ny nanjo an’ity lehilahy ity fotsiny fa nandray ny andraikitr’izy ireo. Avy hatrany dia nisy lehilahy nanakana « taxi ». Nobataina niditra tao anatin’ilay fiara ity marary ka lehilahy roa no nanaraka azy hatreny amin’ny hopitaly. Ny iray tamin’ireo roa lahy ireo dia mponina eny amin’ny manodidina, fa ny iray kosa dia olona mpandalo niseho ho « tsara sitra-po ». Izy io no nanakana an’ilay « taxi ». Mbola ity farany ihany koa no niantoka tsy tamim-pisalasalana ny saran-dàlana rehetra nitondrana ny marary hatreny amin’ny HJRA Ampefiloha. Nony tonga teny anivon’ny sampana « vonjy aina » anefa, dia notazomin’ilay lehilahy io daholo ny entana sarobidy rehetra teny amin’ilay marary. Io lehilahy io izay tsy havany akory. Tafiditra ao anatin’izany ny paoketra fampiriman’ilay marary ny volany sy ny kara-panondrony miaraka amin’ny « carte bancaire »-ny, ny findainy izay tena raitra dia raitra tokoa ary ny firavaka rehetra. Tsy nisy nanam-po ny zava-doza hafa mbola mety hitranga, fa dia vonjy aina no natao ka dia samy sahirana tamin’ilay marary ny olona rehetra. Tampoka teo anefa dia nilaza ilay olona « tsara sitra-po » nampitazomina ny entan’ilay marary rehetra, fa niantso ny zanak’io marary io ka andeha hitsena azy ireo eny amin’ny vavahady no nivoahany ny efitrano nisy ilay marary. Fotoana ela taty aoriana anefa tsy niverina intsony ilay olona. Nentiny nanjavona niaraka taminy tany ny fananana rehetra hita teny amin’ilay marary. Tsy fantatra intsony hatreto ny fomba tokony hampandrenesana ny havan’io marary io ny manjo azy, satria dia ny fitafiany sisa izany tsy voaroban’ity olon-dratsy niseho ho « tsara sitra-po » ity.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici