Omaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any, andiana mpitandro filaminana miisa teo amin’ny fito teo no nigadona tao amin’ny tokantranon’i Fernand Cello, teny Anosizato. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nentin’izy ireo niaraka taminy ity mpanao gazetin’ny Radio Jupiter, Ilakaka ity. Fisamborana, izay somary mahery vaika ihany raha ny fantatra dia teo imason’ny vady aman-janany. Nampidirina tao anaty fiara tsy mataho-dalana izy ary tsy fantatra hatreto hoe nentina aiza, na nentina aiza? Andrasana ary ezahina hofantarina eto ny mety ho tohiny amin’ny manaraka.
Nangonin’i m.L